Mafampana ny fifandonana eo amin’ireo rafitra ambony eto amin’ny Firenena. Mpikambana miisa 4 no nangatahana fahafana manao fanenjehana ara-pitsarana na « ordre de poursuite judicaire » araka ny taratasy nalefan’ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny Tribonaly ambaratonga voalohany eto Antananarivo Rakotoniaina Narindra Navalona ny 29 mey 2026 nalefa amin’ny minisitra misahana ny Fitsarana. Araka ny andininy faha-512 amin’ny « code de procédure pénal», raha misy mpikambana ao amin’ny rafitra ambony, toy ny mpitsara ao amin’ny Fitsarana ambony na ny HCC, voakasiky ny heloka na ny hadisoana, dia tsy azo tanterahina ny fanenjehana raha tsy misy baiko manokana avy amin’ny minisitra misahana ny Fitsarana, ka anton’ity taratasy. Ampangaina amina tsikombakomba na “complot” hanakorontanana ny filaminam pirenena. Voalazan’ny andalana voalohany amin’ny andininy faha 89 sy ny andalana fahatelo amin’ny andininy faha 87 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana moa, fa izay mamaritra ny sazy ho an’izay voaporofo fa nikotrika na nanomana tetika hanongana na hanova ny governemanta, na koa nampirisika ny olom pirenena handray fitaovam piadiana hanohitra ny fahefana ny taratasy. Re fa namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na « IST » noho izany ny mpikamban’ny HCC miisa efatra dia: William Noelson, Nandrasana Georges Merlin Rasolo, Rojoniaina Ranaivoson, ary Antonia Rakotoniaina Raverohanitrambolatianiony. Ireo roa farany izay solontenan’ny Antenimierandoholona. Nialohan’izao dia efa nisy ny fihenjanana teo amin’ny Antenimierampirenena sy ny HCC noho ny fikasana hanolo mpikambana roa solontenan’io andrim-panjakana io, dia William Noelson sy Nandrasana Georges Merlin Rasolo izay namoaka taratasy fa tsy ara-dalàna izany, ary nandeha ny fampahatsiahivana fa « mandat impératif » 7 taona ny taom-piasan’ireo mpikambana, ka mety hampidi-doza ny fikasana hanongana sy hamparefo ny fahamarinan’ny rafitra rehetra ao anatin’ny Repoblika. Efa nandeha ny fikasana hanao fifidianana teo amin’ny Antenimierampirenena saingy nahemotra.
STRATEJIKA AMIN’NY TOE-DRAHARAHAM-PIRENENA…
Tsiahivina ihany koa fa nisy ny fitoriana nataon’ny depiote Antoine Rajerison tamin’ny 13 Mey. Nangataka sy nitaky ny HCC mba hanambara ny tsy fahombiazan’ny fahefana miaramila ka hamindra ny fahefana amin’ny sivily, saingy nolavin’ny HCC ho tsy azo ekena. Mazava ho azy, fa manamafy ny toeran’ny Filohan’ny fanavaozana, saingy io mitranga io ny fifandonana, tonga hatrany amin’ny fangatahana fanenjehana ara-pitsarana. Nisy fikasana hamoaka didy na fanapahan-kevitra miendrika fanonganam-panjakana amin’ny alalan’ny didy avoakan’ny HCC ve fa nitsefotra ? Andaniny, nanizingizina ny depiote Antoine Rajerison fa tsy ara-dalàna ny fikasan’ny antenimierampirenana hanolo ireo solontena roa ao amin’ny HCC. Ity farany izay re fa hanaovana fanadihadiana noho ny ahiahy heloka ara-ketra ihany koa raha ny resaka niparitaka taorian’ny nametrahany fitoriana teny amin’ny HCC. Manan-danja lehibe amin’ny toe-draharaha politika sy ny fahamarinan-toeran’ny Repoblika ary ny rafitra ambony maromaro ity endrika fifandonana ara-drafitra ity ka asa hanao ahoana ny tohiny ? Tranga hafa nialoha izao raha tsiahivina ny zava-nisy ny desambra 2025 nisiana karazana fifandirana mikasika ny fialana na fanesorana mpikamban’ny HCC miisa telo notendren’ny Filoha teo aloha, dia Rakotobe Andriamarijaona Vololoniaina Christiane, Razanadrainiarison Rahelimanantsoa Rondro Lucette, ary Mbalo Ranaivo, saingy tanteraka ihany ny fanoloana azy ireo, ary tafapetraka soa aman-tsara ny solony. Sanatria ve hiseho ny zava-nitranga toy ny nataon-dRajoelina nandrava ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierampirenena nanongana azy fa eo amin’ny HCC sy ny Fiadidian’ny Repoblika tarihin’ny Filoham-panjakana ? Mandeha ihany koa ny feo amin’ny mety handravana ny Antenimierampirenena ka asa izay ho fihodin’ny toe-draharaha politika ato ho ato ?
Toky R
Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana
Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »