airtel

Politique

10-oct-2025

Andry Rajoelina mody miantso dinika

Ny famonoana vahoaka mitohy hatrany

Sample post image

Vao omaly 9 oktobra sahady, taorian’ny

10-oct-2025

fiatoana 1 andron’ny hetsika fanoherana ny tsy rariny eto amin’ny firenena, dia voaporofo indray fa ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, izany mody miantso dinika teny Iavoloha, vao tsy ela akory izay. Ny famonoana vahoaka amin’ny endriny rehetra nefa mitohy hatrany raha toa ka niverina nidina an-dalambe naneho ny heviny omaly ireo leon’ny heverin’izy ireo fa fampanantenana poakatin’izao fitondràna izao, faha faha keliny, tao anatin’ny 7 taona. Vao maraina, raha ny tati-baovao voaray, dia efa tapaka ny lalana maro, izany hoe tapaka ihany koa izany ny fihariana rehetra mila izany lalana notapahana izany. Mahazo mandeha ny mpianatra fa tsy mahazo mandeha ny mpanatitra. Mahazo miditra ny mpiasa fa ny tsena tsy misokatra. Mahazo mivarotra ny toeram-pisakafoana fa ny mpanjifa hisakafo tsy tafiditra. Isan’ny nahitàna izany teny amin’ny hiditra amin’iny Arcadia Analakely iny. Tonga eo amin’ny sakana ny fiara fitateram-bahoaka dia asaina miverina. Asaina miala eo daholo ny mpandeha. Tsy misy fampilazàna ny lalana tapaka hoe aiza sy aiza fa efa tonga eo amin’ny sakana vao asaina miverina. Tsy misy fanoroana hoe atsy na atsy no azo aleha fa tonga dia betroka be hoe tsy misy lalana fa miverina! Ny tolakandro moa dia mitohy indray ny fampijalian’ireo lazaina fa mpitandro filaminana ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanipazana entona mandatsa-dranomaso, izay mifangaro ao daholo na ny lany daty na ny efa ho lany, sy fitifirana an’ity rehetra ity ireo olompirenena tsy midradradradra afa-tsy ny hoe mitaky ny zony. Ireo fanontaniana neverina fa tena manan-danja miantefa amin’ny filoham-pirenena tsy nahitàna valiny mazava avy aminy. Isany, ohatra, ny fanontaniana napetraky ny fiarahamonim-pirenena sasany hoe «Inona no antony tsy ampiasàna an’i Tsimiroro?». Toy izany koa ny hoe maninona ny fitakiana ny fialànao no tsy henonao? Ny dinika sy fifanatonana mody antsoina, araka izany, ny famonoana vahoaka, na amin’ny endriny an-kolaka na mivantana koa nefa etsy ankilany mitohy hatrany. Nanomboka tamin’ny fakàna hetra midangana amin’ireo mpandraharaha malagasy izany, nitohy tamin’ny fandrobàna sy fandonoana ny fananan’izy ireo ny alin’ny 25 septambra teo, hatramin’izao fidarohana ireo mpanao fihetsiketsehana izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

Maro no miha resy lahatra ankehitriny

Card image cap
04-déc-2025

Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena

Card image cap
04-déc-2025

Voatendry ho mpanolo-tsaina maharitry

Card image cap
04-déc-2025

aloha noho ny fifidianana tsy azo antoka…

Card image cap