airtel

Politique

16-juil-2025

Annick Ratsiraka

Ampanantsoin’ny PAC sy Bianco

Sample post image

Araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ny antoko Arema omaly,

16-juil-2025

dia voaantso hanatrika fanadihadiana eny amin’ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC) sy ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) i Annick Zoary Ratsiraka, Sekretera nasionalin’ny antoko, rahampitso Alakamisy 17 jolay 2025. Tsy mbola mazava ny anton’ny fiantsoana azy, ary tsy nisy fanazavana manokana nomen’ny antoko na ny rafitra miantso azy. Efa niteraka resabe eo amin’ny sehatra politika sy tambajotran-tserasera kosa ity raharaha ity, ka maro amin’ireo mpanao politika no maneho hevitra samihafa, tsy vitsy aza no mihevitra fa misy tanjona politika manokana ao ambadika. Tsiahivina fa tsy mbola nitana andraikitra mivantana teo anivon’ny fitondram-panjakana i Annick Ratsiraka hatramin’izao. Raha toa ka efa ministra teo aloha kosa ny rahavaviny, Sophie Ratsiraka, izay voafidy ho Solombavambahoaka. Hatramin’izao dia manjavozavo tanteraka ny anton’ny fiantsoana, ary manokatra adihevitra sy fanontaniana eo amin’ny besinimaro: atsojay pôlitika izao hetsika izao sa misy raharaha manokana mahasaringotra azy? Raha ny loharanom-baovao azo avy eo anivon’ny AREMA tamin’ny alalan’ny olona voakasika manokana, dia tsy misy antony mazava voasoratra na « aucun motif » fa hoe : « convocation pour inculpation » izany hoe : fiantsoana noho ny fisiana fiampangana na vesatra ka na ny voakasika aza tsy tena manana ambara mikasika an’io fa dia any amin’ny fiatrehana ireo manam-pahefana izany no hahafantarana bebe kokoa ny tena antony. Voafaritry ny lalàna na izany aza ny tokony hametrahana mazava ny anton’ny fampanantsoana. Misy moa na izany aza ny fampahalalam-baovao iray nilaza fa, nisy olon-tsotra nitory i Ratsiraka Annick tamin'ny taona 2022, ka in-droa nanao "classement sans suite" ny "Parquet" an'ny PAC. Nanao fampiakarana (appel) anefa ilay mpitory raha ny vaovao voaray, ary nahazo rariny. Araka izany dia miverina misokatra ny indray ny "procédures" eo anivon'ny "Parquet", hoy io vaovao io. Miandry ny fivoaran’ity toe-draharaha ity noho izany ny mpanara-baovao hoe : inona marina no tena zava-misy? Zavatra goavana resaka ady heloka madiorano sa sanatrian’ny vava raharaha politika iniana volena na fohazina mba hanodinkodinana saim-bahoaka eo anatrehan’ny toe-draharaha mafampana samihafa ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

Card image cap
10-févr-2026

Rajoelina tany Eswatini ireny!»

Card image cap
10-févr-2026

ireny no tsy maintsy hamadika!»

Card image cap
09-févr-2026

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

Card image cap
09-févr-2026

fanadihadiana ataon’i Maurice »

Card image cap
09-févr-2026

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

Card image cap