Tokely Justin ka niakatra ho eo amin’izany toerana izany ny Filoha lefitra avy amin’ny fanoherana Siteny Randrianasoloniaiko. Araka ny andininy faha-16 amin’ny Fitsipika anatiny ao amin’ny Antenimierampirenena, izay mamaritra fa « Ankoatra ny Filoha lefitry ny fanoherana, dia azo esorina amin’ny andraikiny avy ireo mpikamban’ny Birao Maharitra, noho ny antony goavana, amin’ny alalan’ny latsabato iandanian’ny roa ampahatelon’ny Solombavambahoaka », hoy ny fanazavana. Notanterahina omaly 15 oktobra 2025 ity ny fifidianana fanesorana ireo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra ity, ka depiote 127 tamin’ireo 133 mpifidy no naneho fankatoavana, midika fa mihoatra ny roa ampahatelon’ny solombavam-bahoaka no nifidy ny fanesorana ireo mpikambana amin'ny Birao Maharitra, raha telo kosa no nifidy "Tsia", ary telo hafa no nanao vato fotsy sy tsy manan-kery. Rehefa nandeha ny fifidianana, lany ho Filoha vaovao i Siteny Randrianasoloniaiko izay kandida tokana rehefa niala an-daharana ny depiote Ahmad Ahmad. Depiote 94 tamin'ireo 104 tonga nifidy no nandany ny Filoha vaovao raha 6 kosa ny vato maty ary 4 ny vato fotsy. Mitsimbadika tanteraka aloha izany ny fifandanjan-kery ao Tsimbazaza satria na ny volomboasary aza niova. Taorian’ny fifidianana dia nandray ny solontenan’ny Gen Z ireo solombavambahoaka nihaino ny fangatahana sy ny hetaheta ary niara-nidinika tamin’izy ireo. Naharitra adiny 3 teo ho eo ny fifampiresahana ary mbola hitohy hatrany ny fifandraisana araka ny voalaza nandritra izany. Andrasana anio ny tohin’ny toe-draharaha ao Tsimbazaza.
Toky R