airtel

Politique

03-sept-2026

Antoko Maitso

-Fikarakarana fifidianana

Sample post image

Hajaina ny fe-potoaka,

03-sept-2026

mila governemanta teknisianina sivily sy miaramila"
Nandray anjara tamin’ny dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara. Nanamafy fa ny firosoana haingana amin’ny fifidianana madio sy eken’ny maro an’isa no hany vahaolana hivoahana amin’ny krizy politika misy ankehitriny. Nankasitrahany ny fahavononan’ny fitondram-panjakana amin’ny fikarakarana fifidianana miaraka amin’ireo ankolafy rehetra, saingy mitsipaka tanteraka izy ireo ny mety fanalavana ny fe-potoana tokony hanatanterahana fifidianana, satria ampy tsara ny roa taona hiantohana fifidianana ara-dalàna, araka ny nambaran’ny Kolonely Michaël Randrianirina sy nohamafisin’ny SADC. Nanazava ny Antoko Maitso fa ny fahombiazan’ny fifidianana dia miankina amin’ny fitokisan’ny vahoaka sy ny mpanao politika amin’ireo rafi-panjakana mitantana azy, ka raha hajaina ny didy aman-dalàna dia ho madio sy eken’ny rehetra ny vokatra. Nampahatsiahivin'ity antoko ity fa ilaina ny governemanta teknisianina sivily sy miaramila hikarakara fifidianana, ny fanavaozana sy fanadiovana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ary ny CENI amin’izao endriny izao dia tokony hifantoka amin’ny fitsapakevi-bahoaka sy fifidianana momba ny lalàmpanorenana. Notsindriany ihany koa fa tsy tokony hiandry ny fehin-kevitry ny fikaonandoham-pirenena vao hanomboka ny fanavaozana ny lisitra, satria miteraka ahiahy ny fanendrena ireo Sefo Fokontany izay tompon’andraikitra amin’ny fanavaozana sy fizarana kara-pifidianana. Ho vahaolana, dia manolotra ny fananganana komitim-pokontany tarihin’ny Sefo Fokontany, lefiny, mpitan-tsoratra ary mpitam-bola voatendrin’ny Fokonolona sy solontena mpanjakana ny Antoko Maitso. Farany, mba hisorohana ny fanjakan’ny antoko tokana sy hitsitsiana vola sy fotoana, dia manohana ny fampifanarahana datim-pifidianana ny antoko, ka amin’ny Oktobra 2027 no hatao ny fifidianana ifotony ary amin’ny Novambra 2027 kosa ny fifidianana nasionaly. Ireo tolo-kevitra ireo no natolotry ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara amin’izao dinika izao, ary ny lohahevitra hafa toy ny fanavaozana ny rafi-pifidianana, ny fitsarana fifanolanana ary ny fampielezan-kevitra dia ho entina amin’ny fikaonandoham-pirenena miaraka amin’ny FFKM.
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Nitohy omaly tolakandro teny

Card image cap
03-sept-2026

Ambasadaoro Frantsay Jean-Marc Grosgurin

Card image cap
02-sept-2026

Mila havahana tsara mba tsy ho lasa fialokalofana…

Card image cap
02-sept-2026

Madagasikara dia fifidianana tsy tena izy»

Card image cap
02-sept-2026

Hangonina manomboka anio

Card image cap
02-sept-2026

mba tsara no hiafaràna!»

Card image cap