taloha, mandrindra, taorian’ny fifidianana, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mamy Raharimanana. Izao no vokany, hoy izy. Samy te ho lany daholo satria ilay fifidianana mihitsy no tsy nandeha araka ny tokony ho izy. Hosoka sy hala-bato izany tsy mifanaraka amin’ny tena safidim-bahoaka. Efa niteny aho fa raha ohatra ka misy ben’ny tanàna tokony ho lany nefa tsy lany noho ny antony tsy ara-dalàna dia miangavy ilay tokony ho lany sy ny mpiaradia aminy mihitsy aho hanohitra eo amin’ilay toerana tokony nahalany azy. Ny antony dia lasa very mihitsy ny zon’ireo mpifidy ary izany no mahatonga ny mpifidy tsy handatsa-bato intsony na hampihena ny taham-pahavitrihana eo amin’ny resaka fifidianana eto Madagasikara. Satria ianao hifidy nefa avy eo omenao olon-kafa ilay vato, tsy aleo marina ve tsy nifidy? Manomboka tonga saina ny malagasy hoe tsy hivarotra fanahy na vato izany. Ilay fanodinkodinam-bato mihitsy no manahirana amin’ity fifidianana ity. Tsy misy mangarahara izany eto. Izay heritreretin’ny fitondràna ho apetraka dia ho apetraka. Izay heritreretin’ny tomponandraikitry ny fifidianana ho apetraka dia ho apetraka. Izay mihitsy ve no tena safidim-bahoaka? Tandremo fa io no atao hoe fifidianana manakaiky vahoaka! Ahoana ny ho fiarahamonina eo anivon’ny ben’ny tanàna sy ny vahoaka raha tsy hifankahazo? Mety hisy «désobéissance civile» na fitroaram-bahoaka eny anivon’ny kaominina no atahorana amin’izany. Izay ve no tena hampandroso firenena? Tsy aleo ve tsy nasiana fifidianana fa tonga dia napetrakareo daholo izay tianareo napetraka teo? Izao dia misy hoe fisamborana indray dia tonga dia mivadika PDS. Tsy misy mandeha daholo izao na politika na toekarena na sosialy. Mampalahelo mihitsy ny zava-miseho any Antsiranana. Satria ve tsy mitovy firehana aminao ilay lany tonga dia soloina PDS? Hifananga-pahavalo et ove izany isika? Inona no tombontsoa hanagadràna olona amin’ny lafiny politika? Gadrao daholo izany ny mpifanandrina politika aminao dia ampy! Firenena iza no tsy nitaky ny zony raha nisy zavatra tsy nety? Fitakiana an’izany ve dia tonga dia miditra am-ponja? Samy tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity isika ka hiangaviana ny hoe andao hiray hina na eo amin’ny fitondràna na ivelan’ny fitondràna, andao hiaraka hanavotra ity firenena ity mba tsy ho Madagasikara toy izao ihany no hita afaka 5 taona. Rehefa tena misy ny finiavana politika dia mijanona daholo ny ambom-po rehetra fa ilay tombontsoam-pirenena no tokony mibahana ao amin’ny fo sy fanahinao. Raha ny fahitako ny mpanohitra sy mpanohana fitondràna nefa dia tsy hiray hina mihitsy satria valifaty politika no tadiavin’ireo. Fomba fitenin’ireo mihitsy ny hoe anareo ny «aller», anay ny «retour»! Izany ve no hitondràna an’i Madagasikara? Tsy mety izany! Firaisankina no ilaina eto fa tsy lonilony politika? Izao fanagadragadrana izao ve izany no fitiavana lehibe indrindra, hoy hatrany ny Maeva?
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny