airtel

Politique

10-juil-2026

Antoko politika PSD

«Nisy sonia io tranga io.

Sample post image

Fantatra ilay sonia.»

10-juil-2026

Hatramin’izay mihitsy teto Madagasikara, hoy ny antoko politika PSD, rehefa misy resaka olana politika dia misy tranga an-kolaka miseho toy izao foana. Tsy nikasihana olona izany taloha, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, Eliana Bezaza, fa ohatra hoe doro tanety. Tsaroako, hoy izy, fony izahay mbola kely rehefa maheno hoe nisy doro tanety tatsy dia hoy ireo ray aman-dreny hoe izay indray. Misy fanakorontanana fa isika izany tsy mba mahay mivantana hoe tsy tianay izao fa any amin’ilay hetsika ambadimbadika no hampisehoana ilay tsy fahafaliana na toy izany. Ny tranga toy izay hita ankehitriny kosa dia nanomboka tamin’ny fitondràna teo aloha io misy fikasihana olombelona io. Teo ny varira, fakàna an-keriny, ny mitovitovy amin’izany rehetra. Matoa tsy nisy izany io taloha fa izao vao nisy dia nisy sonia. Fantatra no dikan’izany ilay sonia dia ny hoe nisy olona tsy faly fa nesorina teo amin’ny fahefàna dia mitady hanakorontana hiverenana amin’ny fahefàna. Eo koa ny hoe fanakorontanana na «déstabilisation» sy ny karazany fa heritreretin’ny PSD koa hoe hanelingelenana ilay fikaonandoham-pirenena io. Tokony hitondra any amin’ny repoblika faha 5 ny fikaonandoham-pirenena. Ny tsikaritra dia resy lahatra ny maro fa mila ialàna ny fanjakàna tokana na «Etat unitaire». Ny olona mbola miaro an’io dia efa tsy misy sahy miaro ilay endriny amin’izao intsony fa miresaka hoe fitsinjaràm-pahefàna tena izy izay efa fantatra fa efa nandalovana sy tsy misy matoky intsony. Ilay fanjakàna tokana hoe misy sokajin’olona mibaiko an’i Madagasikara manontolo no tsy nampandeha ny zava-nisy teto hatramin’izay. Na ho atao fitsinjaràm-pahefàna tena izy aza io dia tonga amin’izay fakam-panahy izay hatrany ka izay no mahatonga ny PSD hanolotra ny fizakan-tena isam-paritra na «état fédéral». Efa tsapan’ny malagasy rehetra ny lojikan’io. Niezaka nanaratsy izany ireo olona zatra nibaiko an’i Madagasikara iraimanontolo sy nanome ny tsenan’ny lalana rehetra. Ry zareo irery no nanome ny tsenan’ny harena an-kibon’ny tany sy ny alalana samihafa io. Tsy mandaitra intsony ny fanaratsiana na «diabolisation» satria efa nazavaina foana ilay izy hoe tsy misy idiran’ny adim-poko sy fampisaraham-bazana ny malagasy fa fitondràna mari-pototra sy ahombiazana kokoa mipaka any amin’ny fokontany, kaominina, faritany mba hampandroso miaraka an’i Madagasikara manontolo. Mbola tsy hita hatramin’izao izany dia tsy maintsy mitady fomba hafa ry zareo tsy hahatongavana any amin’ilay fikaonandoham-pirenena satria raha sanatria potraka io fitondràna io dia tsy tonga any. Mety misy hevitra manao an’izay izany mba hahatongavana amina tetezamiitatra hitondràn’olon-kafa indray. Mila mampiasa ny hery rehetra, noho izany, ny fitondràna ankehitriny ialàna amin’ny fanakorontanana. Manao izay vitany ilay fitondràna namaha fitakiana samihafa saingy tsy izay no tanjona fa ny hahatongavantsika any amin’ny repoblika faha 5. Tokony tanterahina ireo tetiandro efa nivoaka, hoy hatrany ny PSD.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

21-juil-2026

io na 6 taona aza vao vita»

Card image cap
21-juil-2026

Mampametra-panontaniana mihitsy

Card image cap