airtel

Politique

07-juil-2026

ANTOKO RPSD

"Tsy tokony hitsabaka amin'ny

Sample post image

raharaham-pirenena ny mpamatsy vola"

07-juil-2026

Nivoaka tamin'ny fahanginana ny antoko RPSD tarihin'ny Filohany Andriantsizehena Benja Urbain. Nambarany fa mila fiaraha-miasa amin'ny mpamatsy vola isika saingy tsy tokony hitsabaka amin'ny raharaham-pirenena izy ireny. Noraisiny ohatra ny fanambarana nataon'ny SADC izay mitady handidy sy hanapaka. Ny fehin-kevitra havoakan'ny fikaonandoham-pirenena amin'ny alalan'ireo hery velona sy fikambanana ary antoko politika imisy eto amintsika ihany no tokony hamaritra izany hoy izy, ary efa niteny izany rahateo ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblika ny kolonely Randrianirina Michael. Ankoatra izay dia naneho hevitra momba ny ireo olona milatsaka amin'ny anaran'ny tsy miankina ihany koa ny tenany isaky ny misy fifidianana eto amin'ny tany sy ny firenena. Hentitra izy niteny fa tsy tokony avela hilatsaka intsony ireny mialokaloka amin'ny anaran'ny tsy miankina ireny noho ny fivadibadihana palitao. Manakorontana foana no asan'izy ireny hoy izy tsy voafehin'ny lalana mifehy ny antoko politika. Tsiahivina moa fa manohana feno ny Fitondram-panjakana fanavaozana ny antoko politika RPSD.
Pati
Légende : Andriantsizehena Benja Urbain
 

Dans la même rubrique

09-juil-2026

fifidianana ireo manakorontana ireo!»

Card image cap
07-juil-2026

eny amin’ny fokontany

Card image cap
07-juil-2026

Kaominina amam-polony maro manerana

Card image cap
07-juil-2026

iorenan'ny fampandrosoana"

Card image cap