airtel

Politique

18-déc-2024

Antoko TIM

« Tsy izahay no resy fa ny fahamarinana sy ny vahoaka »

Sample post image

Enina andro taorian’ny fahavitan’ny latsa-baton’ny fifidianana ny 11 desambra 2024 teo,

18-déc-2024

nangataka fihaonana mivantana tamin’ny CENI ny mpikatroka eo anivon’ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ireo depiote notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny TIM sy ireo solontenan’ny kandida mpanolontsaina tao anaty lisitra notarihin’i Tojo Ravalomanana. « Maro ny tsy fanarahan-dalàna, mialoha, mandritra ary taorian’ny fifidianana. Tsy araka ny tokony ho izy ny lisi-pifidianana sy ny « ordonnance ». Nisy ny fampiasana ny volam-panjakana nanampiana ny kandidam-panjakana. Tsy hipetra-potsiny amin’izao ny kandida Tojo Ravalomanana sy ny mpanolotsaina miaraka aminy fa misy ny dingana tsy maintsy arahina », hoy izy ireo tamin’ny alalan’i Rina Randriamasinoro. Nitaky ny hanaovana fampitahana (confrontations) ny lisitry ny « ordonnance » moa ny TIM, saingy tsy nahazo valin-teny sy tsy afaka nanao izany fa nahazo setriny hoe : mbola miandry baiko. Notondroin’ny TIM ho miray tsikombakomba ny CENI matoa tsy atao mazava fa afenimpenina io. Miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera moa ny serasera samihafa maneho fa mandresy 42,31% i Tojo Ravalomanana. Milaza io antoko io fa nialohan’ny fifidianana dia efa nitaky ny fahamarinana sy mangarahara ny antoko TIM, manerana an’i Madagasikara no nahitana tsy fahatomombanana nandritra iny fifidianana iny. Efa eo am-panangonana "dossiers" ny antoko ankehitriny ary hiroso amin’ny fametrahana fitoriana. « Tompon’andraikitra amin’ny hoavin’ny firenena avokoa isika fa anjaran’ny mpanao politika no mitarika ny rehetra hijery ny raharaham-pirenena, fa ny vahoaka no tompon’ny teny farany. Tsy ny kandidanay na izahay no resy sanatrian’ny vava, fa ny fahamarinana sy ny vahoaka no voahitsakitsaka zo tamin’ny farany teo. Tsy fifidianana no natao fa kajy ambony latabatra, ary hosoka no nanjaka », hoy i Rina Randriamasinoro. Andrasana ny tohiny !
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap