airtel

Politique

17-févr-2026

Antsoantso fidinana an-dalambe

Nitsefotra, nilamina tetsy Analakely omaly…

Sample post image

Nitsefotra ny fikasana hitarika olona

17-févr-2026

hidina an-dalambe teny amin’ny kianjan’ny 13 mey alatsinainy 16 febroary 2026. Nilamina toy ny andavanandro ny teny Analakely sy ny manodidina, nivarotra tsy nisy sakantsakana ny olona, tsy nisy ny fanetsehana EMMO-NAT zavon-tany toy ny fahita tamin’ny fitondrana Rajoelina. Nilaza Ra Petsambava, Malagasy monina any ivelany, izay isan’ny nanentana hoe : « efa miaraka amintsika ny tafika, ny zandary, ireo mpitandro ny filaminana ». 350 no tonga teny amin’ny 13 mey, fa tsy nitambatra, niparitaka tamin’ny toerana samihafa,… raha ny filazany. Marihina fa mbola tsy tonga akory omaly, dia ny tenany ihany no namoaka indray fa hoe : « hisambotra officiers maro hono, miantsy ady amin'ny miaramila sy zandary malagasy ny fanjakana Mafia ! Mampiasa milisy ilay minisitra amin'ny fanaovana perquisition ! Hisy hetsika amin'ity herinandro ity ka mijoroa amin'izay ianareo vahoaka ! ». Isan’ireo niezaka nitsongoloka sy nanaratsy mafy ny fitondrana ankehitriny taorian’ny fionganan’i Andry Rajoelina moa ny tenany, ary anisan’ireo heverina fa mpanao politika sy mpisehatra amin’ny tambajotran-tserasera izay monina any ivelany, miezaka manao ny fomba rehetra hamelezana ny fitondrana satria satria ny hisambotra azy. Asa fifandrifian-javatra ve ny hoe : taorian’ny nisehoan’i Andry Rajoelina tany Eswatini no miseho ireo tranga samihafa ? Tamin’ny ankampobeny, tsy nipoitra nivantana ireo nambarany fa olona 350, tsy nisy fifanatrehana tamin’ny mpitandro ny filaminana,… fa nilamina tahakany mahazatra. Efa nanaovana fanentanana naharitra io, saingy azo lazaina ho nitsefotra. Nialohavana fisamborana sy fanaovana andrimaso mpanao politika ahiahiana ho ao ambadiky ny asa fanakorontanana, toa an’Atoa Vy Vato Rakotovao governoran’i Vakinankaratra teo aloha, Augustin Andriamananoro,… Ny tsy azo lavina dia betsaka ireo fanaratsiana avo lenta, famoronana zavatra tsy mitombina, fampiadiana mpitondra,… Nisy ny fiezahana nikopaka afo mafy rehefa nipoitra tamin’ny alalan’ny horonantsary tamin’ny facebook i Kolonely Patrick Rakotomamonjy. Misy fiezahana hivoy serasera sy resaka hampifandrafiana ny mpitandro ny filaminana,… Na izany aza, betsaka ireo toe-javatra tsy azo hamaivanina mety hanaratsy endrika ny fitondrana, fa tsy voatery ho diso 100% ireo heverina fa fanaratsiana, ka tokony hanitsy ny mety ho lesoka.
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap