fivoriana fifampidinihana natokana ho an'ny antoko politika ny antoko « Asa Vita Ifampitsarana » (AVI), tamin'ny zoma teo, izay notontosaina teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, Tamin'izany fotoana izany, nisolo tena ny AVI ny delegasiona notarihin'ny Filoha nasionaly, Dr ANDRIAMIHARIVOLAMENA Zavamanitra, ary nahitana an’i Me Fredon Ratovondrajao, Filoha lefitra, sy Ndriana Ralitera, Sekretera Jeneraly. Nanolotra an-tanana ny tolo-kevitra mivaingana ho fiomanana ho an'ny fifidianana mangaraharaha sy eken’ny rehetra ny AVI..
RAKI-KEVITRA STRATEJIKA
Nandritra izany ary no nanoloran’izy ireo ny raki-kevitra stratejika misy pejy 89. Ao anatin'izany dia misy, volavolan-dalàna momba ny fanavaozana ny Fitsipika Ankapoben'ny Fifidianana sy ny Fitsapan-kevi-bahoaka, misy ihany koa, ny antontan-taratasy natokana ho an'ny stratejia tokony hampiharina mba hametrahana tontolo mirindra hanatanterahana fifidianana azo antoka, mangarahara ary eken'ny rehetra.
LESONA AVY AMIN'NY TRAIKEFA TEO ALOHA
Nandritra ny fivoriana, ny AVI koa dia nampiseho ny fomba fijeriny momba ireo olana mifandraika amin'ny fitantanana ny fifidianana ary nanolotra tolo-kevitra maromaro nalaina tamin'ireo traikefa niainana nandritra ny fifidianana teo aloha, indrindra ireo tamin'ny 2018 sy ny 2024. Anisan'ireo tolo-kevitra lehibe natolotra ny fanavaozana ny sata mifehy ny Vaomiera nasionaly mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny fanamafisana ny anjara toerany amin'ny fitantanana ny fifidianana, ny fanatsarana ny fombafomba fanamarinana sy fanaraha-maso, ary koa ny fampitomboana ny andraikitry ny mpiasa mifandraika amin'ny fifidianana amin'ny ambaratonga rehetra. Ao anatin'ireo tolo-keviny koa dia mametraka ny AVI ny fanasaziana ireo fandikan-dalàna sasany momba ny fifidianana, satria ny fanamafisana ny rafitra ara-dalàna dia zava-dehibe ho fisorohana ireo tsy fetezana rehatra.
FAMPITONIANA
Na izany na tsy izany, ny AVI dia manana tanjona lehibe iray: ny fampihenana ny risika hisian'ny krizy sy disadisa aorian'ny fifidianana. Arak'izany, mihevitra ny antoko fa ny fanomanana fifidianana azo antoka dia tsy azo sarahina amin'ny fametrahana toe-draharaha ara-politika tony, miorina amin'ny fitsipika mazava, fanaraha-maso mahomby ary ny fahatokisan'ireo mpisehatra samihafa. TRAIKEFA Hatramin'ny nananganana azy tamin'ny 1997, dia manamafy ny AVI fa efa nandray anjara tamin'ny fifidianana lehibe rehetra izy ireo ary efa niorina ho mpisehatra eo amin'ny fiainam-pirenena ara-politika. Noho io traikefa azo teny ifotony io indrindra, no nahatonga ny antoko AVI afaka nandrafitra ny tolo-kevitra ary naroso teo anatrehan’ireo mpikarakara ny fivoariana.
Nangonin'i RTT