airtel

Politique

19-janv-2026

Be-rija Ravelomanantsoa

« Efa tena hita taratra ny

Sample post image

fanavaozana sy ny fanovana »

19-janv-2026

Naneho ny heviny mikasika ny fanavaozana sy ny fiovana eto amin'ny tany sy ny Firenena Ravelomanantsoa Be-Rija taorian'ny nandraisan'ny Filohan'ny fanavaozana ny fitantanana ny kolonely Randrianirina Mickaël. Nambarany fa efa tena hita taratra izany toy ny tsy fisian'ny delestazy lavareny intsony, ny famongorana ireo tsy maty manota izay tena hankasitrahany, ny ady amin'ny kolikoly...Na izany aza dia nomarihiny kosa fa tsy vita ao anatin'ny 2 na 3 volana ny Fanarenana ny firenena fa mitaky faharetana. Nivoitra ireo nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2026 notanterahin'ny Vovonana Aroriaka Mitolona ho an'ny Fanarenana tarihiny teny Ankadikely Ilafy, distrikan'Avaradrano afak'omaly Sabotsy 17 Janoary. Narahiny fanaovana tatitra fohy mikasika ny asa vitan'ny Vovonana izany na dia vao tamin'ny 04 Desambra 2025 teo aza no fantatra fa nijoro ara-panjakana izy ireo. Miompana amin'ny resaka sosialy entina hanatsarana ny fiainam-bahoaka izany no sady ho fanamaivanana ny adin'ny Fitondram-panjakana ihany koa. Nisy ohatra ny fitetezana sekoly toy ny CEG sy lisea teny Atsimondrano nentina nampahafantarana azy ireo ny antony mahatonga ny tondra-drano isaky ny fotoam-pahavaratra sy ny voka-dratsy aterak'izany. Toraka izany koa ny fampianarana ireo mpianatra mikasika ny fahalalam-pomba, ny fizarana fitafiana sy sakafo ho an'ireo tsy manan-kialofana teto an-drenivohitra, ny fanampiana ireo tanora mpianatra amin'ny alalan'ny toro-hevitra hahatonga azy ireny ho tafita amin'ny fiainana ary farany izay tsy kely akory dia ny fandefasana ireo tanora mpikambana eo anivon'ny AMF handeha hiasa na hanohy fianarana any ivelany ho an'ireo izay mazoto. Manana diaspora niara- nitolona taminy mantsy ny Vovonana manerana ireo Firenena vahiny miasa 11. Raha fehezina dia ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka aloha hatreto no tena imasoan'ny Vovonana ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka.
Pati
Légende : Berija Ravelomanantsoa, Filohan'ny fikambanana Aroriaka Mitolona ho an'ny Fanarenana !
 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap