airtel

Politique

13-déc-2024

CENI: HARILALA 43,03%, TOJO 36,21%

Ny sary tamin’ny 2002 sa ny tamin’ny 2018 no hiverina ?

Sample post image

24 ora taorian’ny fikatonan’ny birao fandatsaham-bato sy ny fanisam-bato, mbola tsy namoaka fironan’ny voka-pîfidianana ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI.

13-déc-2024

Isaky ny misy fifidianana anefa, ny misasak’alin’ny andro nanaovana ny latsa-bato no manomboka mivoaka ny fironam-bokatra. Asa inona loatra no antony ? Lasa mampitombo ny ahiahy ! Isan’ny stratejika indrindra I Antananarivo izay ifandroritan’ny TIM sy ny IRMAR. Omaly tamin’ny 8ora alina vao no nisy vokatra navoaka tao amin’ny TVM ka Birao fandatsaham-bato 978 amin’ny 1139 no voalaza fa voakirakira, nahitana vato manan-kery 211645. Ny 161 izany sisa ny Birao fandatsaham-bato sisa tsy voakirakira, raha raisina amin’io. Mitana ny laharana voalohany vonjimaika ao anatin’io i Harilala Ramanantsoa izay voalaza fa nahazo vato 91191 manome 43,09%, arahin’i Tojo Ravalomanana 76646 (30,21%), ary fahatelo ny kandida Tahina Razafinjoelina nahazo vato 25559 (12,08%). Nialoha an’io nifaninana samy mamoaka ny valim-pifidianana arakaraka izay maha mety ny andaniny sy ny ankilany avy ? Mangotraka ny ady ara-tserasera na « guerre de communication » ary samy milaza fa mpandresy ? Ramatoa Harilala Ramanantsoa aza dia namoaka serasera mihitsy nilaza hoe : « Raha ny tatitra azontsika avy amin'ireo solontena manerana ireo birao fandatsaham-bato dia efa azontsika ny fandresena, saingy manentana antsika tsirairay avy hiandry am-pitoniana ny vokatra Ofisialy izay havoakan'ny rafitra manana fahefana ny amin'izany. ». Dia tahaka izany ihany koa ny seraseran’ny kandida Tojo Ravalomanana milaza hoe : « Isika Mpandresy ». Hanao ahoana ary ny tohiny ? Iza marina no ho mpandresy ? Na iza na iza lany dia mpandresy tokoa sa ny fahantrana no tena mpandresy aloha hatreto raha ny zava-manjo ny Firenena ankehitriny? Hanao ahoana tokoa ary izany ny voka-pifidianana. Samy misora-tena ho mpandresy fa tena ny vokatry ny safidim-bahoaka ve no hiseho eo sa vokatry ny fividianana olona mivantana na ankolaka raha toa Ramatoa Harilala Ramanantsoa no ho lany? Tena afaka hirehareha fa lany ara-dalàna sy tamin’ny fifidianana madio sy tamim-pahamarinana ve ? Andaniny, hiady hatramin’ny farany ka hijoro hanohitra izay valim-pifidianana eo ve ny kandida Tojo Ravalomanana sy ny TIM raha toa ka tsy arakaraka ny heverin’izy ireo ny ho vokatra avoakan’ny CENI sy ireo rafitra samihafa ? Efa mandeha ihany koa mantsy ny fanentanana nanomboka ny takarivan’ny 11 desambra hoe : « andao hiaro ny safidintsika ». Betsaka ny mametra-panontaniana hoe : hamerina ny 2002 bis toy ny taorian’ny fifidianana nifandroritana tamin’izany araka ny resaka manomboka misy mivoy tokoa ve ny TIM amin’ity indray mitoraka ity sa hanaiky lembenana toy ny efa hita nanomboka ny 2009 ? Sa hamerina ny 2018bis izay naneken’Atoa Marc Ravalomanana ho resy sy niarahaba ny mpifaninana teny amin’ny HCC narahin’ny fanatrehana ny fianianany teny Mahamasina noho ny fisiana fifanarahana na « deal politique » na efa vaky sy tafiditra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey aza ny vahoaka ? Samy miandry sy maminavina izay hitranga ny rehetra. Ny adilahy sy fifandroritana politika miha mafana fa ny renivohitry sy ny firenena manontolo ihany koa miha potika, mila fahaiza-mitantana, mila rivo-baovao,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap