airtel

Politique

22-sept-2025

Clémence sy Babà

Naratra mafy taorian’ny fisamborana azy…

Sample post image

Fa dia inona loatra ny helok'izy ireo no nataonareo toy

22-sept-2025

izao i Clémence Raharinirina sy Faniry Alban Rakotoarisoa na Babà, hoy ny mpanao politika sady mpamakafaka fiainam-pirenena, Faniry Razafimanantany? Naneho tanaty tambazotran-seraserany ny sarin’izy mianadahy voalaza ireo, izay ny iray voatery lasa nitondra tehina ary ny iray marary eo amin'ny lohany sy ny takibany moa ity mpanao politika ity nanazava izany ny sabotsy teo. Nirary fahasalamana ho azy ireo, noho izany, izy ary nilaza fa homba azy ireo eo anatrehan'ny hevitra marina miaraka amin'ny vahoaka Andriamanitra. Hita ho naratra mafy taorian’ny fisamborana azy, araka izany, izy mianadahy. Somary nahagaga ireo mpanara-baovao tetsy ankilan’izay ny fahanginana be tampoka an’ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy ny zoma teo. Ity farany moa izay nasain’izy mianadahy voalazan’ny mpanara-baovao maro ho nosamborina tsy lera tamin’ny herinandro ireto mba ho isan’ireo hitarika ny tolona ho fanafoanana ny delestazy ny alakamisy izao. Hetsika izay ho tontosaina eny Ambohijatovo, raha tsy misy ny sampona io. Ny alakamisy teo anefa dia tsy nitsahatra naneho hevitra tanaty tambazotran-tserasera ho fanamaivanany izany hetsika kasain’ireto mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo ho tarihina izany ity loholona ity, mba tsy ilazàna hoe naneho fandrangitana ireto mpitolona avy eo anivon’ny fanoherana ny fitondràna ankehitriny ireto mihitsy. Ny sabotsy taorian’izay zoma fahanginana izay dia nivoaka ny fampahafantarana teo anivon’ny antenimierandoholona fa ny lapa maitso etsy Anosy no nitory an’i Clémence sy Baba. Voalaza fa fandikàn-dalàna niseho nahiana hiteraka korontana, izay hita fa tanjona nokatsahan’izy mianadahy ireto, no antony nametrahan’ny kolonely talen’ny fiarovana sy ny tale misahana ny lalàna sy ny fandalinan-kevitra eo anivon’ny antenimierandoholona. Taorian'ny fanolorana ireo voapanga teny amin'ny fampanoavana dia fantatra fa napetraka eo ambany fanaraha-mason'ny fitsarana izy ireo. Amin'ny 30 septambra 2025 kosa no ho atao ny fotoam-pitsarana, hoy hatrany ny Antenimierandoholona ny sabotsy teo. Isan’ny fanontaniana nanitikitika ny mpanara-baovao, noho izany, ny hoe fifandrifian-javatra ve ilay fanambaràn’ny lapa maitso izay nialohavana fahanginan’ity loholona nahazo fanasàna ity tampoka?
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap