airtel

Politique

21-janv-2026

Cyprien Michel Raheriharimahefa

«Nitsabaka ny fifidianana teto foana ny frantsay»

Sample post image

Ny taona 1989 no nisaraka ny AKFM

21-janv-2026

ka matoa nataony hoe fanavaozana ny anaran’ny iray, hoy ny manam-pahaizana momba ny politika na «expert en science politique», Cyprien Michel Raheriharimahefa, dia efa hita hatrany fa misy rafitra tsy mety eto. Tsy vao tamin’ny 2009 izahay no nandamina ny raharaha teto, hoy ity mpikamban’ny komity mpanara-maso ny fifidianana tamin’izany fotoana ity, fa hatramin’ny 1991, 2002, 2009 dia ireny nisian’ny ravin-dalana na « feuille de route» ny taona 2011 ireny izany no niafara tamin’ny fifidianana neverina hamaha ny krizy ny taona 2013-2014. Nisy ny dingana famahana olana sy fanorenana nezahana natao saingy teo amin’ilay fifidianana neverina fa hamaha krizy izany no somary nidofotra kely ny raharaha. Ny antony dia tsy mbola tompon’ny fifehezana ny fitantanana ny firenena isika. Nitsangana ny taona 2012 ny CSC na ny komity mpanara-maso ny zotram-pifidianana rehefa voasonia ny 17 septambra 2011 ny ravin-dalana. Nankinina tamin’ny CSC ny fanaraha-maso ny fifidianana. Rehefa noterena ireo fianakaviambe iraisampirenena nitsabaka dia nisy nahatsapa avy hatrany fa anjaran’i La Frantsa. Nanoro hevitra tao amin’ny Hotely Colbert ry zareo hoe mankanesa ianareo any amin’ny ambasadaoro frantsay fa any no afaka hamaha ny olana! Nanangana sampana hanaraha-maso fifidianana izahay saingy nitsivalana avy hatrany ny masoivoho frantsay hoe tsy mety fa manjary misy vokatra miisa 2 mivoaka. Maninona moa izany nefa no atahorana hoe hisy vokatra roa raha toa ka mandeha amin’ny fahamarinana ilay fifidianana? Fantatra mialoha no dikan’izany fa hisy vokatra hivoaka ary tsoriko fa ny valim-pifidianana ny taona 2013 sy 2014 dia efa fantatro mialoha ary diso fanantenana daholo ny ekipan’ny Dr Jean Louis Robinson, izay efa niheritreritra ny handresy tamin’izany fotoana izany. Nalaina ireo manam-pahaizana hijery ny rindram-baiko tamin’izany ary nahita ny olana tao anatiny. Ny rindram-baiko hita ho matanjaka indrindra dia ny i-fid an’i Thierry Bonard. Marina ny tenin’i Thierry Rakotonarivo fa 2.500.000 no isan’ny verindroa sy verintelo. Efa hitanay izany saingy nosakanana izahay hoe tsy mahazo manara-maso. Ny lalàna nefa manome alalana anay hanara-maso. Rehefa nilazàna izany ny masoivoho frantsay dia nilaza mazava hoe aleo aloha jeren’ny manam-pahaizany io lalàna io. Tsy manam-pahefàna eto amin’ny tanintsika izany isika no dikany. Iny moa ny vokatra ary samy nangalatra na ny andaniny na ny ankilany. Nomena ny nahay nangalatra izany ny fandresena ny taona 2013 sy 2014. Izany no anton’ilay filàna ny fandinihana ny tokony hanavaozana ny rafitra mifehy ny fifidianana. Tsy mitovy ny atao hoe fampihavanana sy fanavaozana ary ny fanorenana. Mba tsy hisian’ny fitarazoana dia velomy aloha ny rafitra anaty lalàmpanorenana! Tsy manana disadisa amin’ny antoko TIM aho na toy izany fa ny tena voa anaty fanorenana dia ny TIM. Raha hanankina ny toe-draharaha amin’ny FFKM ihany isika dia maninona raha ny mpikamban’ny CFM no ijerena marimaritra iraisana? Ankino amin’ny FFKM ny fanendrena ny mpikamban’ny CFM mba tsy hisian’ny kajikajy politika! Afaka mamoaka lalàna vaovao mikasika ny fanendrena ireo mpikamban’ny HCDDED koa. Tena tsara ny «Dinika santatra» ny taona 2010 fa rehefa nalaina ny fehin-kevitr’ireo distrika miisa 119 dia tsy lany ny hoe 35 taona dia efa afaka milatsaka filoham-pirenena. 40 taona no nekena dia hoe fanonganam-panjakàna izany, hoy ny governemanta. Tsy noraisina ny vokatry ny dinika santantra. Hita tamin’ny fidinana ifotony koa fa maivana be ny antoko politika eto Madagasikara. Na ny TGV aza tsy nahafeno olona any ifotony. Nanaitra kosa nefa ny hoe niparitaka nanerana an’i Madagasikara ny antoko Maitso, hoy hatrany ny tenany nanamafy fa nitsabaka ny fifidianana teto foana ny frantsay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap