airtel

Politique

17-nov-2026

Cyprien

Raheriharimahefa

Sample post image

Tsy ny tetiandro no tena olana

17-nov-2026

amin’ny fifidianana»
Any amin’ny tsy mivonto no manaintaina satria tsy tena voakasika ny olana mianjady amin’ny firenena mikasika ny fifidianana, hoy ny isan’ny mpanelanelana tanatin’ny krizy 2013-2014 sady solontenan’ny fiarahamonim-pirenena nanara-maso ny fifidianana tamin’izany fotoana, Cyprien Raheriharimahefa. Averiko ihany, hoy izy, fa tamin’ny fanelanelanana nataonay nanomboka ny taona 2012 dia teo amin’ny fifidianana famahana krizy na «élection de sortie de crise» izahay no nidofotra. Noraisina daholo ny fepetra rehetra nialàna tamin’ny mety fisian’ny hosoka sy tsy fetezana samihafa. Natao ny «Ni…ni» na ny tsy famelàna hilatsaka ireo mpifanandrina vaventy niisa 2. Nidofotra anefa avy eo tamin’ilay fifidianana iray voalaza teo. Raha jerena ny fehinkevitra tamin’ny fakankevitra ny 9 sy 10 novambra 2026 teo dia tsy voaresaka mihitsy ny tena olana. Tsy ny tetiandro na izay pitsopitsony voalaza tao no tena olana amin’ny fifidianana. Tokony jerena hoe io rafitra efa nalohan’ny vahoaka sy tokony ovaina io ve no tokony mbola hitantana ny fikarakaràna fifidianana hidirana any amin’ny Repoblika faha 5? Ny tena tamin’izany fotoana no nitarika ny vaomierana nanao ny fanaraha-maso sy tantsoroka ny fifidianana hivoahana tamin’ny krizy. Olana daholo nanomboka tamin’ny fanisàna ny lisitry ny mpifidy. Tsy mety ilay teny midina avy any ambony fa tokony alamina avy aty amin’ny fokontany ny fikarakaràna. Misy lesoka lehibe ny rindrambaiko. Teo amin’ny fikarohan-dalana rehetra ahafahana manara-maso ny fifidianana dia misy ilay rindrambaiko «e-fidy» izay vitana malagasy. Tena mahomby indrindra mitaha amin’ireo rindrambaiko samihafa izay nampiasaina. Ireo nanendrena ny olona ao amin’ny CENI sy HCC izay hitantana ny fifidianana dia tokony hodinihina. Niankin-doha taman’olona ireo ary mbola tanaty paikady politika no nametrahana ireo olona ireo. Rehefa napetraka ny tondrozotra dia natao tao amin’ny andininy faha 28 ny hoe ny fiarahamonim-pirenena no mitarika ny fanaraha-maso sy tantsoroka na «contrôle et suivi» dia naka ny fahaleovanteny ny tao amin’ny CSC, izany nisy ny tena, fa tsy niandry ny fanendren’ny fanjakàna na «décret de nomination». Izay indrindra no nahafahana nanao «ni…ni» saingy na izany aza dia tsy maintsy nasiana ny kandidà solony na «candidat de substitution» noho ny faneren’ny lalàmpanorenana hoe ny olon-drehetra dia manana zo hifidy ny olona maharesy lahatra azy. Napetraka ny hoe ny kandidà Hery Rajaonarimampianina no nisolo tena an’andriamatoa Andry Rajoelina ary ny kandidà Jean Louis Robinson no nisolo tena an’andriamatoa Marc Ravalomanana. Ireo avy eo no nanao ny fihodinana faharoa. Misy hery fahatelo mitantana ny firenena izany izao. Tsy azo omen-tsiny ny fisian’ny paikady politika rehetra na paikady ialàna amin’ny krizy. Andraikitra manan-tantara amin’ny firenena apetraky ny tantara amin-dry zareo ny fandraisany fahefàna andravàna izay ampihimamba rehetra nisy teo aloha. Niarahantsika nahalala koa moa fa tsy nisy mihitsy ny sazy nomena ireo mpanodinkodina voka-pifidianana fa dia nataontsika ny nampiasa ny fahefam-panjakàna sy fitsaràna nitazomana na nandrombana ny fahefàna teo aloha. Tokony ho jerena daholo izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

Mahazo isam-bato 7 tapitrisa ny

Card image cap