Ici c’est la France!» na Lafrantsa ihany ny eto, rehefa nanitsaka ny Nosy sambatra na Iles Glorieuses, izay isan’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara na «Iles éparses», ihany no nataony rehefa teto amin’ilay nosy lehibe antsoina hoe Madagasikara nandritry ny fihaonana an-tampon’ny COI ka nametraka ny daty hoe amin’ny 30 jona indray no fihaonana manaraka ary any aminay any Frantsa. Ny firenena mikambana na ONU nefa tsiahivina fa nandidy ny hamerenana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara ireo amin’ny malagasy ny taona 1979. «Nosy malagasy» na «Iles malgaches» mihitsy aza moa no iantsoana ireto nosy ireto, araka ny voarakitry ny fanapahana teo anivon’ny firenena mikambana. Isan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpisehatra politika marolafy manoloana ny zava-misy ny hoe tokony hamerina moramora ireo nosy ireo izany ny frantsay fa tsy izy indray no namoaka fampiantsoana na «convocation», mba tsy ilazàna hoe baiko, ho an’ny fanjakàna malagasy ho any aminy hidinika momba izay nosy manodidina na «Iles éparses» izay. Ny haino aman-jery frantsay efa mivoy, indrindra, tato ho ato, fa nanamafy ny fanjakàna frantsay fa ny fanomezana ireo nosy ireo ho an’ny malagasy aloha dia tsy hisy. Inona izany no hantenaina amin’ireto delegasionina, izay saika ny ao anaty fitondràna ihany no tena mameno azy fa tsy arak’ilay notakian’ny antoko politika sasany tahaka ny MFM hoe tokony ahitàna ankolafy na fomba fijery mivelatra fa tsy tokanjotra ao anaty fitondràna ao? Sarotra inoana hoe tsy hitsangatsangana sisa ireto delegasionina lazaina fa hitaky ny nosy manodidina ireto, raha aravina ireo fanehoan-kevitra sy famakafakàna samihafa. Nahomby ve hatreto ny diplaomasia nentin’ny minisitry ny raharaham-bahiny, Dr Rasata Rafaravavitafika, raha toa ka mbola tsy fantatra mazava hatramin’izao na ny lalana izoran’i Madagasikara aza manoloana ny raharaha jeopolitika ankehitriny toy ny ady eo amin’i Okrainina sy Rosia na Iran sy Israel? Isan’ireo delegasionina ho any Paris ity minisitra ity. Ho any koa ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga, Dr Mahatante Tsimanaorate Paubert. Iza nefa moa ilay niteraka ady hevitra be, taona vitsy lasa izay, raha toa ka nanome alalana teratany vahiny hitantana ranomasina sy hazandrano eto amin’ity firenena ity? Ankoatra azy ireo dia isan’ireo delegasionina ihany koa ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, ny Vice Amiral Antoine de Padoue Ranaivoseheno, mpanolontsaina eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, ny Dr Djacoba Oliva Tehindrazanarivelo, masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny fikambanan’ny firenena mikambana any Genève ary ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika lefitra, Dina Andriamaholy. Fitsangatsanganana sa fitakiana izany eto ilay ho atao? Raharaham-pirenena izy ity sa raharahan’ny mpitondra samy mpitondra?
J. Mirija