Isaorana ny namana ao amin’ny birao maharitra sy ny antenimieram-pirenena, hoy ny filoha lefitra misahana ny faritanin’Antananarivo eo anivon’ity antenimiera ity, Fetra Ralambozafimbololona, nandray ny andraikiny niara-niasa tamin’ny fitsaràna, ohatra, nanala ny fahefana maha parlemanta na «immunité parlementaire» ny solombavambahoaka sasany rehefa hita fa nipetrahana ahiahy amin’ny resaka tsy fanarahan-dalàna. Eo koa, hoy izy, ny fandraisana fepetra teto amin’ny firenena mikasika ireo endrika tsy fanarahan-dalàna rehetra. Ohatra tsara asehon’ny fitondràna ankehitriny izany amin’ny finiavana hiady amin’ny tsimatimanota satria niarahantsika nahita ny gaboraraka tamin’ny fitondràna teo aloha. Niaraha-nahita ny firaisana tsikombakomba, fifampiarovana amin’ny ratsy, fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Ny tomponandraikitra rehetra nanomboka tamin’ny filohan’ny repoblika teo aloha mihitsy nandalo ny minisitra sy ireo tomponandraiki-panjakàna ambony rehetra dia niaraha-nahita izay firaisana tsikombakomba tamin’ny ratsy izay. Ratsy toerana ireo mpitondra teo aloha milaza fa valifaty politika izao. Iarahan’ny rehetra mahalala fa tsy antoko politika ihany fa na firaisamonim-pirenena na mpiara-miombon’antoka, ny rehetra dia efa samy naneho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fandikàn-dalàna nataon’ny fitondràna teo aloha. Tena famadihana tanindrazana sy fanitsakitsahana lalàmpanorenana no nataon’ny fitondràna teo aloha. Ny filoha teo aloha Andry Rajoelina efa tsy tokony nilatsaka filoham-pirenena malagasy intsony satria nangataka tamin’ny nahim-pony ho lasa olompirenena frantsay. Ny tenanay tamin’ireny isan’ny voasambotra. Nisy nanala ve nefa ny «immunité parlementaire» nanananay tamin’ireny, amin’io izahay tamin’ireny tanaty fivoriana ara-potoana? Fitakiana tsotra dia ny mba hitovian’ny rehetra anatrehan’ny fifidianana no notakianay tamin’ireny. Nanaraka fotsiny ny kandidà miisa 11 izahay fa tsy hoe mpitarika nefa dia nosamborina. Ny mitranga amin’izao vao fisavàna na «perquisition» dia inona sahady no efa mampinainaina. Raha tena marina ianareo dia hatreo ny fanadihadiana sy fitsaràna! Zonareo ny maka mpisolovava. Niaraha-nahita ny fisandohan’andraikitra nataon’ny sasany taminareo toa an’ilay Jeneraly misotro ronono izay efa ambenana anaty trano manokana moa izy izao rehefa mbola nibaiko ny zandary nefa efa misotro ronono no sady filohan’ny antenimierandoholona. Tsy rariny ny nisamborana ny tenanay sy ry Depiote Riana Randriamasinoro na Depiote Afakandro sy ny hafa naneho hevitra rehetra. Ireny izao ry Malama fa mitondra takaitra. Ry Ninie Donia namoy aina mihitsy. Firy ny naratra sy maty nidina teny amin’ny 13 may. Izao ianareo naneho hevitra teny tsy nisy naninona anareo. Ny nataonareo nandritry ny fitondràna Rajoelina, izay efa fantany ihany, io hanenjehana anareo io. Tao ny trafikana andramena, ny tsindry samihafa, ny fibaikoana ny fitsaràna, ny fikasihan-tanana olona, fandratràna. Nanao izany daholo na ny solombavambahoakan’ny boriboritany faha 5. Naka ny tsy anareo ianareo ka tokony hamerina an’izany! Nanao fisandohana andraikitra sy naka ny fananan’olona ianareo ka tsy valifaty politika mihitsy ny fanenjehana anareo amin’izany fa andraikitra raisin’ny mpitandro filaminana sy fitsaràna ary midika koa fa manao ny asany ny fitondràm-panjakàna. Tsimatimanota ianareo raha avela amin’izao. Fantatra daholo ny toeranareo talohan’ny taona 2009 ka tokony hanaovana fanadihadiana daholo! Natao ho an’ny rehetra ny lalàna fa tsy ho an’ny mpanohitra tsy mahazaka demokrasia amin’izao. Leo anareo ny vahoaka matoa ianareo tapa-bolana sy 2 andro dia niongana. Izay no tsy zakanareo satria ianareo very fihinanana rehefa avy nangalatra sy nandika lalàna, nanampatra fahefàna, namotika fiainan’olona, namono olona, nampiditra olona am-ponja tsy ara-drariny sy ny hafa maro tsy voatanisa ka hatreo aloha ny fitsaràna anareo, hoy hatrany ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.
J. Mirija