airtel

Politique

11-juin-2025

Depiote Rajerison Antoine

«Mpitondra tsy mahay, mena ny tondro rehetra ! mila mamokatra !»

Sample post image

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

11-juin-2025

mitondra ny hetahetam-bahoaka, indrindra amin’izao fotoana mivaivay izay hita miantraika hatrany am-bilany. Amin’ny maha Filoha FIVOI (Fiovana Ivoaran’ny eny Ifotony) ka te hitondra fiovana, manana fijery vaovao izay ampahafantarinay hoe : tsy izy izao endrika fitantanana izao, fa izao no tokony hatao », hoy ny Depiote Rajerison Antoine omaly, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8. Nahitsy izy naneho fa ny tena misy amin’izao dia olana fototra, ny Banky Iraisam-pirenena namoaka fa maherin’ny 80% mahantra, ny 70% amin’ny tanora tsy an’asa,… izany hoe : tena anaty fahasarotana lalina, mena ny tondro rehetra,… Ny Fanjakana anefa tsy mahalala ny tena laharam-pahamehana hoe : inona no maika ? Inona no laharam-pahamehana ? « Hindram-bola ianao dia 750 miliara Ar hitaingenanao tariby eto Antananarivo nefa any Ambanivohitra lavitra potika tsy misy raisina ny làlana dia hisafidy hitaingina tariby ve isika ». Fanjakana no resaka, ary volam-bahoaka no resaka, 80% amin’ny olombelona miaina amin’ny tontolo ambanivohitra, ary isika lazaina fa « pays à vocation agricole », any ambanivohitra no betsaka, ka fananganana teleferika izay tsy tena ho ampiasain’Antananarivo akory aza no atao. Lazaina fa misy tombotsoa, hoy izy, fa tsy hisy tombotsoa goavana noho ny fijerena ny famokarana. « Tsy mahay kajy mipetrapetraka ilay mitondra Fanjakana fa lasa izay hitsin’ny vava, toy ny resaka tanamasoandro, 100 000Ha hambolena vary, hanondrana vary any Afrika, ho sopitry ny Ranomasimbe Indianina izay lasa resaka fotsiny. Nisintona ny sain’ny olom-pirenena hahay hisafidy ity depiote ity mba hifidy olona manan-kevitra tena hivoaran’ny fiainana tohanana amin’ny manaraka, fa tsy ny olona manam-bola, tsy ho matin’ny hanin-kely,… Izao Fanjakana izao ve tena mitarika makany amin’ny fivoaran’ny isam-batan’olona, hivoaran’ny fiharian-karena,… Ny vary safiotra tsy mahomby, mampiankin-doha,… Ny vahiny omena tany fa ny an’ny Malagasy mihena hatrany. Lasa « redevable » amin’ny olona nametraka azy ny mpitondra. Ny Jirama nanana ambim-bava talohan’ny 2002, izao lasa mpitsinjara herinaratra sisa, manofa milina amin’ny tsy miankina, mbola mividy herinaratra amin’ireo tsy miankina,… Ny orinasam-panjakana lasa « Société anonyme », hisy tsy miankina hitsofoka sy hitroka ny vola indray ao.
TOKONY HAMAFISINA NY FAMOKARANA ANATINY
Manana injeniera sy teknisianina betsaka mikasika ny fambolena isika, fa tsy omena sehatra. Tena mila miainga amin’ny seha-pihariana voalohany anefa isika raha te handroso. Tsy manome vahana ny famokarana anatiny ny mpitondra Firenena. Ireo « multi-nationale » afaka mindram-bola amin’ny mpamatsy vola vahiny sy iraisam-pirenena mahazo fampindramana amin’ny zana-bola 1%, kanefa isika eto Madagasikara amin’ireo Banky ara-barotra mahatratra 42%. Tokony hisy ohatra « Banque agricole » eto amintsika. Nenjehina ohatra ny filoha teo aloha tamin’ny resaka menaka, kanefa isika eto maninona no tsy mamokatra menaka fa manafatra? Tena mila mamokatra, ny tantsaha ohatra hofanin’ny injeniera hamokatra soja, ny orinasa mividy ny soja, ny vahoaka mahazo vola sy mamelona ny tsena,… miodina tsara ny toekerana anatiny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap