airtel

Politique

15-mai-2026

Depiote Rajerison Antoine

Nitory ny fitondrana Fanavaozana eny amin'ny HCC

Sample post image

Tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny

15-mai-2026

Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana i Rajerison Antoine. Nisafidy ny andron'ny 13 May, izay daty manan-tantara amin'ny tolom-bahoaka teto Madagasikara, ity solombavambahoaka tsy miankina voafidy tao Arivonimamo ity nanatanterahany izany. "Hitantsika, fantatsika ary tsapantsika ireo fihoaram-pefy sy fandikana ny Lalàmpanorenana ataon’ny fitondrana ankehitriny. Tsy ampy intsony ny mitabataba sy maneho hatezerana fotsiny. Tonga ny fotoana hampiasana ireo lalàna sy rafitra napetraka, mba hanjakan’ny rariny, ny hitsiny ary ny fanajana ny Lalàmpanorenana", hoy izy nanazava ny antony. "Amin’ny maha Solombavambahoaka ahy, dia adidiko sy andraikitro ny mitondra ny feon’ny Vahoaka manoloana ireo tranga sy ireo tsy mety maro miseho eto amin’ny tany sy ny firenena", hoy izy koa "nisafidy ny hanaraka ny lalàna sy ny rafitra ara-panjakana aho ka izany indrindra no antony nametraka fitoriana". Nambarany fa "Tsy avy amin’ny safidim-bahoaka tamin’ny alalan’ny fifidianana no nahazoana ny fahefam-panjakana ankehitriny ; nihena ny fanohanan’ny vahoaka noho ny fomba fitantanana raharaham-panjakana ; tsy nisy fifampidinihana tamin’ny HCC tamin’ireo fanapahan-kevitra lehibe sasantsasany ; misy ny loza mety hitranga amin’ny filaminana ara-politika sy eo amin'ny rafim-panjakana raha tsy misy fandraisana andraikitra". Nandray anjara navitrika, nidina an-dalambe niaraka tamin'ny tanora tamin'ireny hetsi-pitakiana nitarika ny fionganan'ny fitondrana Rajoelina tamin'ny septamba sy oktobra 2025 ireny i Rajerison Antoine. Voasambotra teny Tsiadana izy, ary naratra mafy tamin'ny tanàna nandritra ny fisamborana azy. Nialoha izany dia efa niharan'ny fisavana ny tranony teny Ampasampito Antananarivo sy ny teny Fonenana Imerintsiatosika tamin'ireny fotoana ireny. Mitaky ny famindrana ny fahefam-panjakana amin’ny manampahefana miaramila hafa i Rajerison Antoine. "Miandry amim-panajana ny fanapahan-kevitry ny Mpitsara ambony eto amin’ny firenena isika, mahakasika ny mbola tokony hanohizan’ny mpitondra ankehitriny ny andraikiny na tsia", hoy izy.
Jean D.
Rajerison Antoine, solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo
 

Dans la même rubrique

15-mai-2026

olona akaiky an’i Lalatiana nosamborina ?

Card image cap
15-mai-2026

an'ny depiote Rajerison Antoine

Card image cap
13-mai-2026

Miharihary ny zava-misy ara-politika sy jeopolitika

Card image cap
13-mai-2026

Naniry ny hitsidika ny Fonjan’i Manjakandriana

Card image cap