Irénée Djaosera, izay voafidy tao Analalava, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Miisa 3 izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika ary misy vehivavy iray voampanga fa eo ambany fanaraha-mason'ny fitsarana. Ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy fitaterana haren-dranomasina amin'ny andro alina tsy misy fahazoan-dalana, fanamparam-pahefana, fanaovana kolikoly sy fanodinkodinana fitaovam-panjakana no voalaza ho vesatra niampangana azy ireo. Misy ny mpiara-miasa tamin’ity depiote ity fahiny no nitondra fanazavana fohy, izay nilaza mazava fa valifaty politika no nanjo an'ity depiote ity. Tany amin'ny volana jona 2024 tany ho any, efa nisy olona akaiky ny fitondrana ankehitriny nandrahona azy fa «raha mbola miteniteny na manakiana ny fitondrana eo ianao dia ho gadraiko!». Tsy rariny ny fomba nisamborana azy ankehitriny io satria mpandraharaha niantsehatra teo amin'ny fiompiana ireo hazan-dranomasina ireo izy ary ny vokatra tao aminy ihany no nentiny izay nitarika ny fisamborana azy. Nolazaina ho nisy kolikoly ihany koa kanefa findramam-bola nataony tamin'ny banky no nahafahany nandraharaha, hoy hatrany ny fanampim-panazavana nataon'ny mpiara-miasa taminy teo aloha.
J. Mirija
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia