airtel

Politique

28-avril-2025

Dinika momba ny Îles Éparses any Frantsa

Efa mazava fa fandaniam-potoana fotsiny

Sample post image

Hotohizana any Lafrantsa amin'ny 30 septambra 2025 ny fifampidinihina mikasika ireo Nosy Malagasy

28-avril-2025

bodoin'i Lafrantsa, raha ny nivoitra tao anatin'ny diany teto Madagasikara. Hisy indray ny vaomiera iraisan'ny roa tonta, taorian'ny 2019 izay nitsefotra. Efa miharihary sahady anefa fa tsy misy antenaina amin'io fa sinema sy fanadalana ny sain'ny Malagasy no betsaka. Tsy hisy Fanjakana Rajoelina hahavita hamerina ireo Nosy ireo na dia ny amin'ny maha Frantsay azy fotsiny aza, ary efa niarahana nahita teto ny famitaham-bahoaka tamin'ny propagandy sy ny nilazany fa tsy maintsy ho tafaverina mialohan'ny 26 jona 2020.
"NON"
Fandaniam-potoana ny any Frantsa, efa mazava ny tenin'i Emmanuel Macron fa "NON" raha ny mikasika ny famerenana na "restitution" ho an'ny Îles Éparses. Fiaraha-mitantana na cogestion izany no ady eo raha mbola hiresaka, ary izay no vokatra tsara indrindra ho an'ity Fitondrana ity izay vao mainka mety hamatotra raha hisy fitakiana hafa any aoriana satria hoe: ianareo aza efa nanaiky fiaraha-mitantana ? Ka tsy olona pro-cogestion ve izany no handrafitra indray ny Komity malagasy hiatrika izany? Efa manomboka voizin'ireo mpanao politika sasany mpiara-dia amin'ny Fitondrana io mba hasisika any am-parahatoky ny Malagasy hoe: tsy aleo ve fiaraha-mitantana toy izay lasany tanteraka sy tantanany irery? Tena izany ve anefa no tadiavin'ny Malagasy ? Moa tsy mbola endrika famadihan-tanindrazana fanampiny indray? Andaniny, tena sahy sy maneho ny maha Firenena matanjaka azy ny Filoha Frantsay tena nanao don-tandroka mivantana hoe ny fahantranareo izay 80% no tokony hiadian-kevitra sy hitadiavam-bahaolana fa tsy zavatra tsy mampiombona no iadian-kevitra fa efa horesahana amin'ny 30 jona io.
TSY AFA-MIKOFOKA
Tsy sahy mikofoka ny Fitondrana miatomboka any amin'ny Filoham-pirenena fa toa nanao resaka hafahafa sy toa maneso ny Malagasy amina haino aman-jery vahiny no natao. Asa finiavana hampitodika ny saim-bahoaka any amin'ny zavatra hafa ve eo anatrehan'ny toa fahatakonana sy nivoahan'ny Filoha Kaomorianina ho toy ny "héros" na mahery fo teo anatrehan'ny fahasahiany nitaky ampahibemaso sy nampahatsiahy an'i Emmanuel Macron ny lalàna Iraisam-pirenena ? Notsenaina makotrokotroka tahaka ireny avy nahazo fandresena goavana tamin'ny lalao Iraisam-pirenena ireny ny Filohan'i Comores Azali Assoumani. Ny antsika kosa toa sady tsy hita izay tena vokatra fa be fihetsiketsehana fotsiny kanefa mbola mamafy fanafintohinana ka sahy milaza fa mahantra fa sambatra ny Malagasy.... Mampanongo tena hoe: mampirehareha sa mampitsanga-menatra?
Toky R
(Tahirin-tsary)
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap