Nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara tamin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny N’Diaye Alice i Jean-Marc Grosgurin. Manamarika ny fidirany amin’ny andraikitra vaovao, taorian’ny nifaranan’ny asan'i Arnaud Guillois. Naneho ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny fa ny fifanakalozan-kevitra taorian’ny fanolorana ny taratasy dia nanome fotoana hanehoana jery todika ny fiaraha-miasa marolafy misy eo amin’i Madagasikara sy Frantsa. Nohamafisin’ny roa tonta ny fahavononana hanatanteraka ny soridalana nifanarahan’ny filoham-panjakana roa tonta tany Paris tamin’ny volana febroary 2026. Anisan’ny lohahevitra nifantohana ny dinika ny fanohanan’i Frantsa ny Fanavaozana sy ny valin-teny ho an’ny filàna maika ho an’ny vahoaka malagasy. Nampidirina ihany koa ny tetikasa lehibe kokoa, indrindra eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa, izay heverina fa hanana fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina. Manasongadina ny laharam-pahamehana amin’ny fiaraha-miasa ny: fanohanana ny fandaharanasa nasionaly, fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra stratejika, ary fananganana tetikasa maharitra, araka ny tatitry ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny. Manana traikefa lalina eo amin’ny sehatra diplaomatika i Jean-Marc Grosgurin, raha ny ambangovangony. Niasa tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay izy, ary nitana andraikitra tany amin’ny faritra samihafa: tao Moyen-Orient, tao Dakar (Sénégal) amin’ny maha-konsily jeneral, tao Guinée (2016–2020), ary tao République centrafricaine (2020–2023). Talohan’ny nanendrena azy teto Antananarivo, izy no lehiben’ny iraka tao amin’ny sampan-draharahan’ny fanaraha-maso ny Raharaham-bahiny. Ny fanendrena azy dia manamarika dingana vaovao eo amin’ny fifandraisana Malagasy–Frantsay, izay mikendry ny hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra, ho tombontsoan’ny vahoaka roa tonta, raha ny serasera ofisialy. Ara-politika sy diplaomasia, stratejika ny fanendrena azy indrindra eo anatrehan'ny tsio-drivotra samihafa eran-tany, toy ny fanamafisan'ny Rosianina toerana eto. Maro ihany koa ny tombotsoa stratejikan'i Lafrantsa eto. Ara-toekarena, mbola lohalaharana amin'ny fifanakalozana ara-barotra amin'i Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina izay mitana ny 31% ka anisany lohalaharana amin'io ny Frantsay. Manana orinasa mitana toerana stratejika maro raha tsy hilaza afatsy ny angovo. Momba ny raharaha isan'ny mafana eo amin'ny tany roa tonta, toy ny resaka Nosy Malagasy dia heverina fa tsy hiova firy ny politikan'ny Frantsay, izay voafintin'i Emmanuel Macron teto nandritra ny fivorian'ny OIF hoe: ny famahana ny fahantranareo mbola mahatratra 90% aloha no tokony hojerena.
Toky R