airtel

Politique

07-févr-2025

Efa tafapetraka ny «tompon’ny tanàna»

Ho hita eo tokoa raha hitondra fiovàna!

Sample post image

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

07-févr-2025

nandritry ny fampielezankevitra, fony izy mbola kandida? Izy ihany moa no namaly azy avy eo hoe «Antsika ny tanàna». Araka izany dia efa tafapetraka ny «tompon’ny tanàna» ka ho hita eo tokoa raha hitondra fiovàna mankany amin’ny fandrosoan’ity renivohitr’i Madagasikara ity na tsia! Ho voalamina amin’izay ve izany manomboka eto ny olan’ny fako eto Antananarivo ka tsy hiverina intsony ny fitokonan’ireo mpiasan’ny orinasa nampandraiketana izany toy izay nitranga tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna teo aloha, Naina Andriantsitohaina? Hanampy trotraka ny tsy fahombiazan’ity ben’ny tanàna teo aloha voalaza teo ity ihany koa ve ny ben’ny tanàna vaovao sa hanarina ny tsy fahombiazana rehetra tamin’izany fitantanany izany? Hanao ahoana ny fandaminana ny fifamoivoizana? Hanao ahoana ny famongorana ny tsy fandriampahalemana sy ny fandaminana ny tsena? Heverina fa isan’ny fanontaniana fototra ireo ary andrasana asa maika avy amin’ny ben’ny tanàna vaovao izay mbola tsy ahitan-teny firy hatreto.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

olon-dRajoelina mamahan-dalitra ao !»

Card image cap
22-oct-2026

Miato, miandry ny hevitry ny HCC ny PAC

Card image cap
22-oct-2026

ity fitondràna ity raha te hametraka tsara!»

Card image cap
22-oct-2026

Misy mponina mitaraina noho

Card image cap
21-oct-2026

politika izay vao fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
21-oct-2026

finiavana politikan’ny mpitondra…»

Card image cap