Mamaramparana ny taona 2026, hiditra amin’ny taona 2027 isika amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’ny antoko politika Otrikafo sy vovonana KFIM sady mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny fanavaozana, Elia Rabevahiny. Ny fijerinay azy, hoy izy, dia tsara ny mampahatsiahy fa ny krizy teto Madagasikara dia antsoina hoe «crise poste électorale», izany hoe, krizy taorianana fifidianana foana. Tsy nandamina na inona na inona hatrany ny fifidianana natao teto. Na inona atao nefa, na andeha amin’ny fikaonandoham-pirenena na inona dia tsy maintsy hiafara amina fifidianana foana. Aleo aloha izany alamina ity tontolo politika ankapobeny eto amin’ny firenena ity. Tafiditra anatin’izany ny tontolom-pifidianana, izay isika vao miditra amin’ny fifidianana. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe ny hiazakazaka any amin’ny fifidianana no ataontsika sa hiroso amin’ny fandaminana ny fiainam-pirenena? Ho an’ny KFIM ny fanontaniana fototra dia hoe ahoana no fototra tsy iverimberenan’ny krizy intsony eto amin’ity firenena ity? Izay no ilàna an’ilay fandaminana ny tontolo politika eto amin’ny ankapobeny. Hanao adisoana isika raha hanao fifidianana amin’ny 2027. Ny tontolo rehetra miodina amin’ilay fifidianana tsinona mbola tsy milamina amin’izao fotoana izao. Mandamina ny hirosoantsika amin’ny fikaonandoham-pirenena amin’izao fotoana izao ny fitondràm-panjakàna. Ny dikan’izay dia tsy ny sehatra politika ihany fa ny sehatra rehetra na politika io na fiarahamonim-pirenena na inona no antsoina handray anjara amin’izany. Io fikaonandoham-pirenena io no heverina fa hamaritra ny hoavin’i Madagasikara amin’ny ankapobeny saingy rehefa misy zavatra tapahantsika anaty fikaonandoham-pirenena dia tokony tena hampiharina. Antsoavo no ataon’ny KFIM sy Otrikafo, noho izany, hoe andao re irosoana faran’izay haingana ny fikaonandoham-pirenena mba hahafahan’ny firenena sy ny malagasy rehetra mandray anjara amin’ny hirosoan’ny firenena any amin’ny lalan’ny fampandrosoana amin’izay, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray!
J. Mirija