airtel

Politique

29-oct-2026

Noho ny fiaraha-miasa

amin’ny Rosianina

Sample post image

Maro ny fanakorontanana,

29-oct-2026

tsy mihemotra rehefa misy tombotsoa !»
"Afrika no kaontinanta ho an’ny ho avy", hoy ny Filoha Rosianina Vladimir Poutine omaly, tao anatin'ny fanombohan'ny fihaonana an-tampon'i Afrika-Rosia. Noho ny fahatanoran’ny ankamaroan’ny mponina ao aminy no nambarany fa mahatonga izany. Nambarany ihany koa ny fananganana sehatra iray ho an’ny fampiasam-bola eo ambany fiahian’ny BRICS, izay natokana manokana ho an’i Afrika. Mandray anjara feno amin'io i Madagasikara. . «Maro ny fanakorontanana mahazo an’i Madagasikara amin’ireo fiarahamiasa amin’i Rosia izao fa izahay dia vonona hampiroborobo izany rehefa hitanay fa misy tombontsoa ho an’ny Vahoaka Malagasy. », hoy ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael omaly. Raha ny fandaharam-potoana, nandray ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michaël ny delegasionin’ny Federasionin’i Rosia niaraka tamin’ny vondrona EURASIA omaly tao Moscou, ka nandray anjara tamin’izany ny Solontena Manokan’ny Filoham-pirenena Rosiana Boris Tchernyshov, izay tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Filan-kevitry ny Vondrona EURASIA, rafitra fampiroboroboana ara-toekarena mifandraika amin'i Eoropa sy Azia. Navoitra ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro, ny ezaka momba ny fandriampahalemana, toekarena, sosialy,... aty Afrika. Nodinihina manokana ny tetikasan’i Rosia any amin’ny firenena afrikanina sy aziatika. Anisan’izany ny fanohanana ireo hetsika ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana ny kolontsaina ary ny teny rosianina. Nambara fa vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny Vondrona EURASIA i Rosia, indrindra amin’ny lafiny sosialy sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Voaresaka nandritra izany ny fametrahana vola hatramin’ny 10 tapitrisa dolara hanohanana ny kolontsaina sy ny teny rosianina, ny fanabeazana, ny fampiofanana ny tanora amin’ny fahaiza-mitarika ary ny sisa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ireo hetsika maha-olona (actions humanitaires) sy ny fampivelarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Maherin’ny efatra hetsy ny mpianatra teratany vahiny mianatra eto Rosia, ary isan’ireo firenena kendrena amin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny oniversite sy ny fampitomboana ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra ny firenena Malagasy. Ankoatra izay, nanambara ny delegasionina rosianina fa vonona hanamafy ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika rosianina sy ny Tafika Malagasy. Voaresaka ihany koa ny mikasika ny fandefasana vola amin’ny alalan’ny rafitra « A7 », izay vahaolana aroson’ny Rosianina hanamorana ny fivezivezen’ny vola sy hiarovana izany amin’ny fomba mora azo itokisana. Nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta, mikendry ny hampivelatra ny fiaraha-miasa maharitra mifototra amin’ny fitovian-jo sy ny tombontsoa iombonana (gagnant-gagnant), eo amin’ny lafiny asa maha-olona iraisam-pirenena (actions humanitaires internationales), ny fanabeazana ary ny fikarohana ara-tsiansa,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-oct-2026

faran’izay haingana ny fikaonandoham-pirenena!»

Card image cap
28-oct-2026

Hanamafy ny fiaraha-miasa

Card image cap