airtel

Politique

07-sept-2026

FAKAN-KEVITRA

MOMBA NY FIFIDIANANA

Sample post image

Antoko politika 2 no nangataka ny

07-sept-2026

mba hirosoana amin’ny fifidianana
Antoko politika miisa 2 hatreto no fantatra fa nangataka ny mba hirosoana amin’ny fifidianana hisorohana ny teteza-mihitatra hatramin’ny nisian’ny fakan-kevitra nokarakarain’ny fitondrana fanavaozana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha nanomboka ny Alarobia 02 Septambra lasa teo. Anisan’izany ny antoko FA.FI.FI.VO na ny Fampivondronambe, Firaisankinambe, Fioarovana Voka-bita tarihin’ny filoha nasionaliny Marc Tatandraza. Nambaran’ity farany nandritra ny tatitra nataony fa antony nangatahany ny tokony hanaovana ny fifidianana ny hialan’ny vahoaka anaty fahasahiranana lalina izay lasa hararaotin’ny sasany mihitsy ankehitriny. Vonona amin’ny fiatrehana izany izahay hoy Marc Tatandraza raha toa ka sitraky ny Fitondrana Fanavaozana, tarihin’ny kolonely Randrianirina Michael ary efa manana olona hatolotra. Notsiahiviny hatrany moa fa izy no filohan’ny fikambanana bandeau rouge sady filoha nasionalin’ny FAFIFIVO izay efa miparitaka manerana ny Nosy.
Pati
Legende : Anisan’ny nangataka ny hanaovana izany antoko FAFIFIVO tarihin’i Marc Tatandraza !

 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

Mila mahatsapa fiovana tsara

Card image cap
09-oct-2026

teto, nofy ratsy ho azy mianakavy…

Card image cap
09-oct-2026

Miroso hatrany amin’ireo asa

Card image cap
09-oct-2026

Manentana ny herivelona rehetra hifanatona

Card image cap
09-oct-2026

hamafisina ny fanorenana!"

Card image cap