Naneho ny heviny mikasika ny fakan - kevitra momba ny fifidianana tontosaina eny amin 'ny lapam - panjakana Iavoloha ny Pr Joseph ho an’ireo antoko politika. ANisan 'ny nandray anjara tamin ' izany ny ekipan ' i Andry Rajoelina. Heveriko hoy izy fa tsy ny fandraisan ' izy ireo anjara no olana, fa tokony ho dinihina ihany ny zava - doza niseho teto Madagasikara nandritry ny 16 taona nitondran - dRajoelina sy ireo ekipany ireo. Tsy hoe : fankahalana sanatria, fa kosa tsy tokony hisy intsony ny tsiparifary mba hisian 'ny vokatra tsara hiteraka fampandrosoana marina ho an ' ity Madagasikara Nositsika ity. Eny ; mety hisy hilaza ny mpomba an - dRajoelina ny hoe : Raha i Rajoelina ve no nanao ny tsy nety teto amin 'ny firenena, dia ny ekipany no tsy mahazo mandray anjara amin 'ny fifidianana ? Aza hadinotsika, fa ny tenin ' i Jesosy Kristy, dia milaza mazava tsara, araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Matio, 7 ; 16 - 20) manao hoe : Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin 'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin 'ny songosongo ? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara ; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. Koa araka izany fanoharana ataon ' i Jesosy izany, dia antso avo no hatao aminareo tompon ' andraikim - panjakana misahana ny fifidianana, indrindra fa Atoa Minisitry ny Atitany hoy hatrany Pr Joseph. Aoka mba izay efa fantatra fa namoa voa tsara no hampandraisina anjara amin 'ny fifidianana izay hotontosaina eto Madagasikara tompoko, ary raha azo hatao dia aleo ahena ny isan ' ireo antoko na vondrona politika, fa tsy miteraka fampandrosoana ho an 'ny firenena, fa malaza tsy hinanana toy ny vilihin - tsahona fotsiny. Fa etsy andanin ' izay, raha ny tsikaritra dia nisy ny soson - kevitra naroson ' Atoa Andry Raobelina filohan 'ny antoko ARB, izay toa manakana ny tsy hirotsahan 'ny filoha Marc Ravalomanana tsy hofidiana intsony. Heveriko fa faharatsiam - panahy tsotra izao sy miharo tahotra an ' Atoa filoha Marc Ravalomanana raha ny famerana ny taona, izay midika fa fanakanana nataon ' Atoa Andry Raobelina. Koa aoka mba handinika sy hieritreritra lalina isika Atoa Andry Raobelina, fa sao ho lasa faka mangidy mitsimoka hampikorontana ny soso-kevitra narosonao, araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Hebreo, 12 ; 15 ).
Pati
Legende : Izy no Pr Joseph, tsy mitsahatra manaraka ny raharaham-pirenena !