airtel

Politique

07-juil-2026

Famerenana fifidianana kaominaly

Tsy mivonona amin’izany ny CENI

Sample post image

Kaominina amam-polony maro manerana

07-juil-2026

ny Nosy raha atambatra no nodidian’ny Fitsarana miady amin'ny fanjakana sy ny Filankevi-panjakana fa averina ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina tao aminy noho ny antony samihafa toy ny fahatomombanana, fandikan-dalàna na vokatry ny fifampitoriana teo amin’ireo kandida nifaninana tamin'ny 11 Desambra 2024. Vaokasik'izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, araka ny fanapahana navoakan'ny Filankevi-panjakana tamin'ny 9 Martsa 2026. Ho sarotra ny fanatanterahana izany famerenana fifidianana izany raha ny nambaran'Atoa Rakotonarivo Thierry, filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI. Ara-teknika no nanazavany fa "raha ny lalàna dia sivy volana aorian’ny nivoahan’ireny didim-pitsarana mandidy ny hamerenana ny fifidianana ireny no tokony hatao, farafahatarany, ny famerenana ny fifidianana amin’ireny Kaominina ireny. Heverina, raha izahay eto anivon’ny CENI manokana, hoy izy, dia "ho sarotra ny fanatanterahana izany fifidianana izany ao anatin’izao zava-misy iaintsiamka izao". Notohizany fa "raha ny lalàna amin’ireny fifidianana averina ireny dia ny kandida teo aloha ihany no afaka milatsaka ary ny lisi-pifidianana teo aloha ihany no anatanterahana ny fifidianana. Iarahantsika mahalala anefa ary isika rehetra manaiky fa tsy mety iny lisi-pifidianana teo aloha iny. Dia ho sarotra izany raha handidy ny CENI fa hotanterahina amin’izao ary ireny fifidianana averina ireny nefa ny lisi-pifidianana efa nomentsika tsiny. Mbola iny ihany ve no hamerenana ny fifidianana? ny kandida nandray anjara tsy dia maninona". Mazava fa tsy mivonona amin'izay fikarakarana ny famerenana fifidianana eny anivon'ny Kaominina izany ny CENI. Mifantoka amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ity rafitra ity. "Lisi-pifidianana feno sy madio no tanjon’ny CENI", hoy Rakotonarivo Thierry. Nanatanteraka ny fivoriana voalohany niarahana tamin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana eto Antananarivo moa ny CENI, tao anatin'ilay sehatra ifampidinihina maharitra, notanterahina omaly tao amin'ny foiben-toerany tetsy Alarobia.
Jean D.
Rakotonarivo Thierry, filohan'ny CENI
 

Dans la même rubrique

09-juil-2026

fifidianana ireo manakorontana ireo!»

Card image cap
07-juil-2026

eny amin’ny fokontany

Card image cap
07-juil-2026

raharaham-pirenena ny mpamatsy vola"

Card image cap
07-juil-2026

iorenan'ny fampandrosoana"

Card image cap