mpitondra tenin’ny governemanta sady Minisitry ny serasera, fa fihaonana stratejika no nalehan’ny Filoham-panjakana Kolonely Michael Randrianirina tany Dubaï ny herinandro lasa teo ary tokony hiandry fanazavana ofisialy mba tsy handairan’ny tsaho, dia misy miketrika mafy amin’ny fiampangana ny Filoham-panjakana ho nanao famadihan-tanindrazana ao Tsimbazaza, ka ireo andiana depiote lany tamin’ny anaran’ny volomboasary no voalaza fa namolavola izany. Nandefa taratasy ofisialy ho an’ny Antenimierampirenena ny vondrona solombavambahoaka akaiky ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, mitaky ny fanaovana fanonganana na « empêchement » ho an’ny Filoha. Tondroina ho nanao fandikan-dalàna mikasika ny fiandrianam-pirenena sy ambana amin’ny fiarovana ny Fanjakana”. Ny fihaonana nataon’ny PRRM tany Dubaï tamin’ny Erik Prince, mpanorina ny orinasa miaramila tsy miankina Blackwater (fantatra ankehitriny amin’ny anarana Academi/Constellis), izay tondroina fa malaza amin’ny raharaha « mercenariat » maneran-tany no antony. Nolazain’ny volomboasary ho manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena satria mampiditra ny Fanjakana amin’ny fifanarahana miafina momba ny fiarovana ; mandrahona ny fiarovana nasionaly amin’ny alalan’ny fampidirana hery miaramila vahiny tsy miankina ; mampiseho tsy fanajana ny fianianana hiaro ny Tanindrazana sy ny adidy amin’ny fiarovana ny fahaleovantenan’ny rafitra miaramila sy fiarovana, hoy ny voarakitr’io taratasy io. Mitaky ny hanamarinina amin’ny fomba ofisialy ny fisian’izany ireo andiana depiote, ary milaza, fa tokony hanomboka avy hatrany ny fombafomba fanonganana azy, araka ny andininy manokana momba ny “empêchement” ao amin’ny lalàmpanorenana.
ANDRASANA NY FANAZAVANA OFISIALY…
Tafiditra anatin’ny fanapahan’ny HCC mitondra ny laharana n°10-HCC/D3 tamin’ny 14 oktobra kosa ny tsy fahafahana manao « empêchement » ho an’ny Filoham-panjakana, tsy fahafahana manao manao « motion de censure », tsy fahafahana manafoana ny Antenimierampirenena. Andrasana ny mety ho fanazavana avy amin’ny Fitondram-panjakana mikasika ny dia tany Dubai, fa raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence, dia fihaonana stratetika, resaka fiaraha-miasa sy fitadiavana vahaolana mikasika lafin-javatra maro : nandray an’i Reem bint Ebrahim Al Hashimy, sekreteram-panjakana émirien misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, izay niresaka momba ny fanampiana ara-bola ho an’i Madagasikara, indrindra amin’ny sehatry ny herinaratra sy ny rano, izay mbola tandindonin-doza noho ny fotodrafitrasa antitra sy ny vidin’ny angovo lafo : fihaonana tamin’ny miliardera amerikanina Erik Prince, mpanorina ny Blackwater taloha ary mitarika ny Vectus Global amin’izao fotoana, izay niresaka momba ny fiarovana sy ny fitsikilovana, fanitarana fandraharahana amin’ny sehatry ny angovo ao Afrika amin’ny alalan’ny Freedom First. Ankoatra izany, nisy delegasiona amerikanina nalefan’ny fitondran’i Donald Trump nihaona tamin’ny Filoha Randrianirina Michael, ary nisy ihany koa ireo mpandraharaha israelienianina manampahaizana amin’ny « cybersécurité », raha ny filazan’io fampahalalam-baovao io hatrany. Ho an’ireo firenena telo Emirats Arabes Unis, Etazonia ary Israely, Madagasikara dia heverina ho toerana stratejika amin’ny fiarovana sy sehatra ara-barotra. Amin’ny lafiny iray, heverina fa tena saropady sy stratejika ny fihaonana, ka mety antony tsy nampahafantarana azy ofisialy nialoha. Andrasana kosa anefa ny mety ho tatitra ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana araka ny tenin’ny Mpitondra tenin’ny governemanta fa tokony hiandry ny fanazavana ofisialy. Andrasana mazava ho azy ny hisian’ny io mba hisian’ny mangarahara.
NINIA JAMBA HATRAMIN’IZAY !
Andaniny, mety manana ny heveriny fa marina ny volomboasary, izay efa manomboka manao ny fomba hanozongozonana sy handradonana ny Fitondrana tsy hisian’ny fanovana sy noho ny fahaverezana tombotsoa, saingy raha mampahatsiahy ny tantara, moa mba nandray andraikitra ny volomboasary tamin’ireo afera goavana tamin’ny fitondrana Rajoelina. Mbola kandida i Andry Rajoelina dia nahavita nampiditra fitaovam-piadiana teto ny taona 2018-2019 izay tena famadihan-tanindrazana sy noheverina fa nikotrehana ady an-trano raha tsy lany ho filoha. Nisy fandraisana andraikitra ve ? Nisy fanadihadiana parlemantera fa moa nasiana hasiny ? Ny tany aloha izany fa nandeha ny ahiahy mikasika ny MSA (Madagascar Security Academy) an’i Mamy Ravatomanga nanangonana sivily nampiofanina hitam-piadiana, izay betsaka no naneho fa mifanohitra amin’ny lalàna, fananganana milisy, ambana ho an’ny fiandrianam-pirenena sy ny filaminana anatiny,… fa moa tsy nojerem-potsiny. Eto anefa, mbola vao fihaonana dia efa mandeha ny fitakiana fanonganana Filoha.
Toky R