vary sy fanampiana samihafa nampanantenaina. Vokany, raikitra ny fandorana kodiarana, tabatabata, menomenona,… Diso fanantenana fa tsy nahazo ny nampanantenaina rehefa avy natao fitaovana hanamaro isa ireo lazaina fa mpanara-dia ny kandida iray eto an-dRenivohitra. Diso fanantenana tamin’ny resaka « ticket » izay natao fitaovana tamin’ny faradoboka ny alahady lasa teo. Mpamitaka, izahay tsy hifidy an’iny,…hoy ny menomenona samihafa. Ny takarivan’ny zoma teo no efa rotaka be tetsy amin’ny ANS Ampefiloha vokatry ny filaharana sy fifanisihana fanampiana. Nandeha hatramin’ny resaka fa nisy maty sy naratra ? Kamio be telo feno mpitandro ny filaminana no nalefa teny. Dia io fa mitohy etsy sy eroa ny fahatezerana sy fahadisoam-panantenan’ireo tsy nahazo. Miharihary hatrany aloha izany ny fanararaotana ny fahantram-bahoaka ka jonoina amin’ny zavatra tsy manao ahoana dia mirohotra. Tsy omen-tsiny ny olona, saingy tsy tokony ho voafitaka amin’ny domina tapany handoa erany. Efa izany foana ny fomba fanao politika natao teto fa io ny vokany hoe : firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara. Ataon’ny sasany fitaovana ho an’ny tombotsoa politikany volam-bahoaka, tantanina amin’ny fomba tsy mangaraharaha,… dia lasa tahaka ilay antoko na ny kandida tohanany no Mesia mpanavotra, kanefa ny zavatra amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy ihany no hanajana sy hanambakana azy raha tsy hilaza afatsy ireny fanampiana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena toy ny tetikasa Tsimbina hizarana vola ho an’ny fianankaviana sahirana ireny. Mila tonga saina ny rehetra fa tsy misy fiovana antenaina amin’izao !
Toky R
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia