airtel

Politique

24-janv-2025

Fampandresena ny IRMAR resy

Toerana maro misy rotaka sy lonilony lalina…

Sample post image

Tsy eto Antananarivo Renivohitra ihany no misy fifanolanana sy olana ara-pifidianana,

24-janv-2025

fa toerana maro manerana ny Nosy. Saika hitovizany ny fitsimbadihana voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Tribonaly misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana na ny TAF, na fanafoanana fifidianana mihitsy. Ny itovizany, dia saika fampandresena ny IRMAR ny ankamaroany. Nangotraka ny fihetsiketsehana tany Betroka ny alarobia teo rehefa nitsimbadika ny vokatra, ka ny kandidan’ny IRMAR nahazo vato 892 na 23,39% indray no lany ho ben’ny ary lasa resy ny kandidan’ny GJMP antokon’ny depiote Nicolas Randrianasolo izay nahazo 949 na 24,97%. Nampitolagaga ny vokatra tao amin’ny Kaominina Ambodinonoka Rangalana ao amin’ny distrikan’i Vatomandry satria nofoanana ny vato 913 nanome salan’isa 74,41% azon'ny kandida tsy miankina Solonirina Ornella, ka ny kandida IRMAR Andrianirina Jeacques Dieudonné tsy nahazo vato afatsy 313 na 25,59% no lasa ben'ny tanana raha ny voka-pifidianana ofisialy ny alarobia teo. Mitovy tsy misy valaka amin’io ny tranga tao Antanambao Mahatsara anatin’ny distrikan’i Vatomandry ihany, hoy ny fanamarihana. Tany Nosimena distrikan’i Miandrivazo, nosamborina tampoka tao an-tranony ny kandida Rasoanaivo Andonirina. Nandresy tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI, saingy notorian’ny kandida IRMAR kanefa nahazo rariny ity kandida tsy miankina ity. Voalaza fa tsy mitombina ny fitorian’ny volomboasary. Nivoak anefa ny voka-pifidianana ofisialy, ka nivadika ho ny IRMAR indray no nandresy. Samy gaga ny rehetra, ary mitaky fanajana ny safidim-bahoaka. Dia io nosamborina io ilay kandida tsy miankina, ka takian’ny vahoaka ny hamoahana azy tsy misy hatak’andro. Ny tany Andohanilalakaka, nitarika tamin’ny elenelam-bato 738 i Rakotonirina Jean Pierre kandida tsy miankina, saingy notorian’ny kandida IRMAR kosa ity farany, ka dia izao niafara amin’ny hoe hamerenana ny fifidianana izao. Nofoanana ny vato tamin’ny birao fandatsaham-bato 19 amin’ny 34 avy eo ny fifidianana manontolo rehefa nandresy Rakotonirina Jean Pierre na kandida tsy Miankina Ranirina Tsy Ambara Fa Hay lahara nahazo vato 2793 (50,70%), notorian'ny kandida Irmar laharana 1 Ratsimanotry Razafiarison nahazo vato 2055 (37,30%). Nafampana ny hetsika ny fiandohan’ny herinandro teo. Resy ny IRAMAR amin’ireo tranga ireo dia ampandresena na averina ny fifidianana fa mba misy mifamadika amin’izany ve hoe : mandresy ny IRMAR dia misy fifidianana averina ? Mbola raharaha hafa ny lonilony teto Antananarivo, ny fampanginana sy famoretana amin’ny basy ao Toamasina I izay mety mbola hangotraka, ny fanenjehana sy tetika hanagadrana ny ben’ny tanàna lany ao Antsiranana I,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap