Ny tanora no antoky ny ho avin'ny Firenena. Manana anjara birikiny goavana izy ireny noho izany hampandrosoana ny faritra misy azy izay tsy mijanona amin'ny alalan'ny fandraisana andrakitra ihany fa amin'ny alalan'ny fanolorana hevitra ihany koa. Matotra izany ho an'ny distrikan'Ambohidratrimo. Notanterahina nanomboka omaly Alatsinainy 18 May mantsy ilay hetsika fakan-kevitra ny tanora izay tsy hifarana raha tsy amin'ny Zoma 22 May ho avy izao. Tsy hisy ho diso anjara amin'izany ireo kaominina miisa 24 raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra ka ho an'ny anio Talata 19 May dia ny kaominina Talatamaty no handray anjara mavitrika amin'izany. Ireo tanora 14 ka hatramin ny 35 taona no voakasik'izany. Hidina isaky ny kaominina ireo tanora voahofana hanatontosa izany fankan-kevitra izany. Tanjon'ny mpikarakara ny mba hahafahana manambatra ny hevitry ny tanora rehetra hisian'ny tena fampandrosoana ny tanana marina tokoa miainga eny ifotony. Hisy moa ny fehin-kevitra havoaka aorian'ny fakan-kevitra rehetra hatao ka ho an'ireo karazana asa hita fa mandeha eny anivon'ny kaominîna dia ezahina hotohizana hatrany izany. Hahitsy kosa izay tokony hahitsy ....raha tsy latsa-danja amin'izany ny hevitra hatolotra ho fampandrosoana ny Firenena iombonana mihitsy.
Pati
Légende : Ny tanora no antoky ny ho avin'ny Firenena !
Nesorina ny zo fiarovana ara-parlemanta na ny