airtel

Politique

28-nov-2023

Fampitahana fitanana an-tsoratra

Miezaka manadio tena hatrany ny CENI

Sample post image

Niezaka nanazava ny resaka fampitahana fitanana an-tsoratra (PV) ary tsara hoe nanadio tena ihany

28-nov-2023

ny mpampiaka-tenin’ny CENI Soava Andriamarotafika omaly.Notsoriny aloha fa tena voalazan’ny and faha-192 mahakasika ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 mifehy ny fifidianana sy fitsapan-kevi-bahoaka io resaka fampitahana ny fitavanana an-tsoratra na PV io. Raha ilaina ny fanaovana fampitahana dia atao amin’ny rafitra izay misy, CENI foibe na rantsamangaika na izay fitsarana tompon’andraikitra,hoy ny voasoratra ao. Mila jerena izany izay ambara fa tsy fitoviana hita soritra ao amin’ny fitanana an-tsoratra.

TSY MAHAVITA MANAO FAMPITAHANA
Fitanana an-tsoratra miisa 3 no nentin’ny iraka manokan’ny kandida laharana faha 13, teny amin’ny foiben’ny CENI ny sabotsy teo hoy i Soava Andriamarotafika, ary dia natao ny fampitahana ary vita.Nambarany avy eo fa hoe misy voka-pifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato ao amin’ny tranokalan’ny CENI, saingy tsy afaka kosa ny CENI hoe hanao fampitahana ny voka-pifidianana miisa 27 000 mahery manerana ny nosy, hoy izy.Mbola nampiany hoe : tsy manana fahefana hanova izay voasoratra ny CENI fa ny fahefana mpitsara ihany no manana fahefana hanadihady izay maha marim-pototra ny hoe tsy fitoviana. Nanaboribory valiteny mba tsy hitenenana hoe nanao valy borainginy ry zareo avy ao amin’ny CENI momba ireo hoe tsy fetezana.Milaza ho tsy mahavita fampitahana voka-pifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato, fa hoe efa ao anaty tranokala, ny fe-potoana amin’io fohy dia fohy,mety tsy ho ampy hanangonana ireo porofo. Raha tonga eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana dia efa mampanahy indray ilay hoe : azo raisina fa tsy mitombina, na tonga dia hoe tsy azo raisina tsotra izao. Ka aiza ihany izany no hanamarina sy hitsara ny tsy rariny ?
RTT

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap