Namoaka fanambarana ny Minisiteran’ny Fitsarana mikasika ny dia ofisialin’ireo delegasionina Malagasy notarihin’ny Minisitra Fanirisoa Ernaivo tatsy Maurice. Navoitra fa nanamafy mazava ireo tompon’andraikitra ambony Maorisianina ny amin’ny fanohanana sy ny fahavononan’izy ireo hiara-hiasa akaiky amin’i Madagasikara, ao anatin’ny fanajana ny fifandraisana diplaomatika sy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta. Nomarihina manokana fa tsy isan’ny haino aman-jery ofisialy ao Maorisy ny antsoina hoe “Pima News”, fa pejy iray manohona ireo mpitondra fanjakana Maorisianina teo aloha, izay ahiana fa nanana andraikitra tamin’ny fiarovana an’Andriamatoa Maminiaiana Ravatomanga. Toy izany koa, diso sy tsy mifanaraka amin’ny antontan-taratasy ara-pitsarana ny vaovao milaza fa misy voafonja mbola tsy voatsara nandritra ny folo (10) taona ka maty tany am-ponja. Araka ny antontan-taratasy ady laharana 106-CR/J2/18, Tompokolahy RAKOTONATOANDRO dia efa voaheloka tamin’ny didy raikitra navoakan’ny Fitsarana ady Heloka Bevava higadra an-terivozona mandritra ny folo (10) taona noho ny fanolanana araka ny didy nivoaka ny 17 jolay 2019, hoy ny fanazavana. Tao amin’ny fampahalalam-baovao Défi Média kosa, nilaza io Minisitra io fa tsy mbola misy fangatahana fampodiana na « extradition » avy hatrany mikasika ny raharaha Mamy Ravatomanga satria mbola miandry ny fahavitan’ny fanadihadiana ataon’i Maorisy i Madagasikara, efa nalefa ny « commission rogatoire » iraisam-pirenena, ary misy ekipa mpanadihady malagasy miara-miasa amin’ny manampahefana maorisianina. Ny heloka iampangana dia mifantoka amin’ny raharaha ara-bola, fanodinkodinana volam-bahoaka, ary ny famerenana ny vola sy fananana tsy ara-dalàna dia hatao araka ny lalàna iraisam-pirenena rehefa vita ny fitsarana. Manoloana ny fiampangana ara-politika, nanamafy ny Minisitra fa ny fitsarana dia tsy miankina amin’ny firehana politika fa miorina amin’ny fepetra ara-dalàna sy ny fitohizan’ny Fanjakana. Notsindriany fa ny heloka bevava dia voafaritra amin’ny lafiny lalàna, fa tsy amin’ny tantara politikan’ireo voampanga. Nohazavainy ihany koa fa ny hetsi-bahoaka vao haingana dia vokatry ny olana ara-rafitra toy ny rano, herinaratra, fotodrafitrasa efa antitra ary fitantanana tsy mahomby. Efa napetraka ny fepetra vonjimaika, ary hisy fanavaozana maharitra sy mangarahara ho fiantohana ny zon’ny olom-pirenena. Ny Lalàmpanorenana 2010 no mbola mifehy ny firenena, ary hisy fifidianana demokratika ao anatin’ny 24 volana miaraka amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitra sy ny lalàna mifehy,…
Toky R