airtel

Politique

29-nov-2024

Fanalam-baraka an’i Tahina Razafinjoelina

Hametraka fitoriana ny Tia Tanindrazana

Sample post image

Hentitra ny tenin’ny mpahay lalàna Ny vola Ramanamizao omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ka

29-nov-2024

nanambara fa nanapa-kevitra ny hitondra ny raharaha fanalam-baraka sy fanendrikendrehana ny kandidany eny amin’ny manampahefana ny Tia Tanindrazana. Efa ho herinandro latsaka kely tokoa mantsy izay no niparitaka tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny vaovao manaratsy ny kandida laharana faharoa sy mampiteny zavatra izay tsy noteneniny mihitsy. Tsy marina velively ny filazana fa hoe nikabary na niteny i Tahina Razafinjoelina fa mifoka na mitsindrona rôrô ny kandida iray, hoy ity mpahay lalàna ity. Fanaratsiana sy fanalam-baraka ny kandida laharana faha 2 Tahina Razafinjoelina izany ka tsy mety fa tsy maintsy tenenina ary porofoina ny zavatra diso hoy ity mpahay lalàna ity. Misy antony mazava tsara matoa nifidy ireo teny filamatra hoe : Tsotra, marina,mahomby ny Tia Tanindrazana, ny Tia Tanindrazana. Tsy maintsy tenenina ny marina tsy miolankolana fa mahitsy tsara, nisinisy ihany ny fotoana nandeferana saingy efa sangy mihoatra ny loha kosa ny fampitenenana olona zavatra tsy notenenina, na fanerena fotsiny tsotra izao hoe niteny an’izany ianao. Manaja lalàna ny Tia Tanindrazana ka aleo entina eo anatrehan’ny lalàna ny zavatra toa izao fa tsy azo avelavela fotsiny fa io no mahatonga ny tsy maty manota eto amintsika hoy ny mpahay lalàna Ny Vola Ramanamizao. Ho avy eny amin’ny sampana fikarohana heloka bevava an’ny zandarimariam-pirenena Fiadanana ny mpahay lalàna avy amin’ny Tia Tanindrazana hametraka amin’ny fomba ofisialy ny fitoriana amin’ity anio ity. Izay tenenina dia tanterahana, ka dia ho avy izahay, hoy izy ireo. Tsikaritra moa fa miha mafy isan’andro ny fanenjehana sy fanosoram-potaka an’i Tahina Razafinjoelina, izay hany kandida tena manely hevitra sy vina tokoa mandritra ny fampielezan-kevitra fa tsy hoe mamalifaly olona amin’ny fampisehoana na fizarazaran-javatra. Tsy vitan’izany fa nampiseho avy hatrany izy sy ny ekipany fa tena miasa izy ireo, ry raha tonga eo amin’ny fitantanana ny kaominin’Antananarivo renivohitra dia vao miha hitombo be io fanatanterahana asa io. Mety manelingelina ny sasany io fomba fijery sy fomba fiasa vaovao tsy nampoizina io ka izany angamba no mahatonga ny fanaratsiana ani Tahina Razafinjoelina, izy izay efa sokajian’ireo gazety sy mpampahalala vaovao any ivelany fa mpitantana sady mpitarika antenaina hitondra rivo-baovao amin’ny fomba fiasa eto Madagasikara.
Nangonin’i RTT

Legende : Ny mpahay lalana ,Ny vola Ramanamizao
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap