airtel

Politique

08-oct-2025

Fanalàna ny filoha Andry Rajoelina

miaraka amin’ny forongony

Sample post image

no takian’ny eny an-kianja, hoy ny vondrona politika

08-oct-2025

FLN na Front de libération national. Fantantsika tsara nefa, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, fa ny olona voatendry praiminisitra androany dia anatin’ilay antsoina hoe forongon’andriamatoa Andry Rajoelina. Tao anatin’ilay governemanta noroahina fa tsy mahavita azy no nakàna indray io olona io, eny fa tao ambadiky ny praiminisitra izany. Azo lazaina izany fa hanohy ny asan’ny governemanta teo aloha ihany io ary ny traikefa nentiny tao anatin’ny governemanta izay tsy nampahomby izany no mbola ho entiny hiasàna eo ihany. Tafapetraka soamantsara izany ankehitriny ny fitondràna mpanatanteraka miaramila eo anivon’ny firenena malagasy. Tena mampiahiahy be ny antony nanendrena an’io miaramila io satria iarahantsika mahita koa fa miha mafy izao ny hery famoretana atao amin’ireo mitolona hanoherana ny tsy rariny eto amin’ny firenena eny an-kianja. Rehefa ny miaramila no mitondra ny fahefàna mpanatanteraka tahaka an’io dia izay no atao hoe fitondràna miaramila. Tsy miafina intsony izany. Hatreto, tsy miova amin’izay nokasainy izany ny filohan’ny repoblika sy ireo forongony. Noho izany no hangatahana ny fialàny. Fantantsika tsara fa efa nanary ny maha filoham-pirenena azy andriamatoa Andry Rajoelina, araka ny lalàmpanorenana izay nataony, napetrany, nandany azy dia ny ao amin’ny andininy faha 49 izany. Milaza mazava io fa ny asan’ny filohan’ny repoblika dia tsy azo afangaro mihitsy amin’ny asa hafa rehetra, na asa amina fikambanana izany na inona. Antony hanalàna azy amin’ny toerany mandritry ny fotoana maharitra izany. Miandry ny solombavambahoaka izahay ankehitriny, na avy amin’ny fitondràna io na tsia, mba hametraka any amin’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana amin’ny fanatanterahana ny tapany faharoa amin’ny voalazan’io andininy faha 49 io dia ny hoe ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC no mijery ifotony ny fisian’izany zavatra izany mba hahafahany milaza fa tsy afaka manohy ny asa maha filohan’ny repoblika intsony ilay filoham-pirenena. Fotoana fotsiny no andrasana amin’izany. Tsy misy tokony angatahana fialàn’ny filoham-pirenena satria efa tanteraka ny fialàny fa fangatahana ireo solombavambahoaka handray ny andraikiny no tokony ataontsika ary iarahana manatitra eny amin’ny HCC izany fehinkevitra izany. forongony anatin’ny mila miala io praiminisitra io, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap