loholona sy solombavambahoaka) sy antoko politika ary ireo fikambanana samihafa milaza fa miara-dia amin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena. Manoloana ny toedraharam-pirenena ankihitriny dia nanamarika ny antoko fa mbola ao anatin’ny fanarenana hatrany isika ankehitriny, ary tsy takona afenina kosa ny ezaka natao mba tsy hisian’ny fandanindaniam-bolam-panjakana tsy voahevitra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny fanavaozana nentina mikasika ny tsenam-barom-panjakana, ny fifehezana ny fitantanam-bolam-panjakana mba tsy ho tantely afa-drakotra, sy ny maro tsy voatanisa, hoy ny fanambarana. « Ekena fa tena mbola ao anaty fahasahiranana tanteraka ny firenentsika, kanefa kosa dia tsy azo odian-tsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hanamaivanana izany, ary manamafy izany ireo tarehimarika navoakan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny tahirimbola iraisam-pirenena ireo », hoy hatrany ireto mpanohana fitondrana ireto. Misy vokatra miabo sy misongadina mikasika ny vokatry ny ezaky ny fitondrana ve navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena sa ilay resaka fiakaran’ny harin-karena faobe 4,4% tsy misy varany amin’ny fiainam-bahoaka sy ny toekerana ? Tena mitsinjo ny fiainam-bahoaka ve ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2025 nolanian’ireo depiote sy loholona indrindra ny mpanohana ny fitondrana tsy nisy fanovana raha tsy hilaza afatsy ny fihemorana eo amin’ny fitsinjarana ara-bola namadihana ny fitakiana hetran-trano sy hetran-tany hiantsorohan’ny Fanjakana foibe? Ny antenimierandoholona anefa lazaina fa mpiahy ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ka moa tsy fihatsaram-belatsihy sy anarany fotsiny ? Miharihary ankehitriny ny fahantram-bahoaka, fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy sy mampahiry vahoaka, delestazy vao mainka zava-doza,… Moa tsy vao mainka fanesoana vahoaka ve fanambaran’ireto mpomba ny fitondrana fa manao ezaka hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka ny fitondrana ? Tsy aleo aza ve nangina ? Tsy maintsy miteny sy miaro fitondrana satria miara-migoka tombotsoa ka na lasa maneso vahoaka aza tsy olana ? Ireto no niara-nanao io fanambarana io : ADN, AKFM, AKFM FANAVAOZANA, AVANA, AVI, FREEDOM, GFFM, HIARAKA ISIKA, LIARAIKE, MAITSO, MDM, RPSD, TGV, Groupe parlementaire GPRI, Groupe parlementaire UPAD, Ny Fireneko, Leader Fanilo, M.A.F (AVOKO), ireo loholona sy ireo depiote rehetra manohana ny Filoham-pirenena.
Toky R
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia