Seriny dia seriny ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fanomanana ny fandraisana ny Fivoriamben’ny Kaomisionin’ny Ranomasina Indianina na ny COI, izay mifanandrify ihany koa amin’ny fitsidihana ofisialy ataon’ny Filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron. Lojika ny fihetsiketsehana samihafa toy ny fanamboarana làlana, fanadiovana tanàna, fandaminana ny fifamoivoizana,… Raha ny endriny ivelany, dia miteraka fandraisana andraikitra avy amin’ny Fanjakana hanajary ny tanàna, na dia miharihary ihany aza ny fanaovana haingo ambony tsikokoko mba hanakotankonana ny fahantrana. Eo amin’ny votoatiny, fanintelony mandray ny Fivoriamben’ny COI na ny Kaomisionin’ny Ranomasimbe Indianina i Madagasikara taorian’ny taona 1991 sy ny 2005. Mitondra inona ara-toekarena sy ara-politika ho antsika anefa izany ? Mbola tsy nampiantrano izany ny nosy Maurice sy Seychelles hatramin’izay kanefa sangany ara-toekerana aty amin’ny Ranomasimbe Indianina sy eran’i Afrika mihitsy aza. Raha amin’ireo Firenena mpikambana ao anatin’ny COI, isika no gisitra indrindra ara-toekarena, tsy misy afatsy 506,16 dolara ny harin-karena isam-batan’olona na PIB/habitant ny an’i Madagasikara ny taona 2023, raha efa 11 613,04 dolara ny an’ny Nosy Maurice ny taona, ary mahatratra 17 879,24 dolara ny an’i Nosy Seychelles. Resin’ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina anefa ny Filohan’i Seychelles tamin’ilay fisafidianana izay mpitantana mendrika indrindra aty Afrika nokarakaraina gazetiboky anglisy. Ara-jeopolitika sy diplaomasia, nahavita dingana lehibe fifampiraharahana tamin’ny Britanika namerenana ny ankamaroan’ny Vondron’ny Nosy Chagos ny Maorisianina, raha toa ka nanaovan’ny Fanjakana Rajoelina doka politika na « marketing politique » nakana vatom-bahoaka tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena 2018 ny famerenena ny Iles Eparses kinanjo lainga tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona. Ankehitriny, mampiantrano ny Fivoriamben’ny COI isika fa moa mba mitondra hery sy tanjaka ara-politika, jeopolitika, toekarena,… ho an’i Madagasikara sa zary lasa misy endrika fanamafisana ny politikam-panjahana eo anatrehan’ny fisongadinan’ny fahatongavan’ny Filoham-pirenena Frantsay izay tena handanian’ny Fanjakana Rajoelina ron-doha mafy ?
Toky R
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia