Nanazava sy naneho hevitra ny depiote Fidèle Razarapiera fa araka ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana izay mamaritra fa ny antoko na vondrona maro an’isa no nanolotra an’io Praiminisitra vaovao io, dia Atoa Heriniaina Razafintsalama,... Ny zava-misy amin’izao efa tsy Filoha nofidiana no mitondra fa rafitra tetezamita. Ny fahitana ireo depiote izy tenany nipetraka nanotrona ny Praiminisitra no manaporofo fa marimarimaritra iraisana. Efa noravana ny vondrona Parlemantera IRMAR, miverina tsy miankina ny 90 izany hoe mikaonty iray, ny Firaisankina 45 no lasa manana ny maro an’isa,… raha ny ambangovangon’ny fanazavan’io depiote TIM io. Nambarany fa nivoaka avy amin’ny sehatra tsy miankina ny Praiminisitra, isan’ny olana tsy nampandeha ny toekarena ny ampihimamba, ka raha io no mahazo vahana dia tsy mandeha ny fandraharahana, kanefa ny tsy miankina no mandoa hetra makao amin’ny kitapombolam-panjakana. Nomena ny sehatra tsy miankina ny fitantanana ny governemanta mba hampandroso ny toekarena, ny mpanao ampihimbamba efa lasa, hoy i Fidèle Razarapiera. Andaniny, nilaza kosa ny depiote Rajerison Antoine hoe : ho anay izay tena nitolona teny an-kianja, tena niady, anisan’ny loharano nipoiran’izao fanovana izao, dia mahita sy maheno fa efa tapaka teto anivon’ny antenimiera izany hoe iza no atao Praiminisitra. Mbola tsy naheno isika, hoy izy, kanefa ireo miteny hoe efa lasa any, efa tapaka any ka mahagaga ihany. Ny solombavambahoaka rehetra mbola tsy naheno, izahay mivory eto, ka ataoko fa tsy mety ny mifandingandigana ohatr’izany. Ny eto mba efa samy resy lahatra fa izay tsara sy izay mety eken’ny rehetra dia izay no aroso ! Aroso sy hanatsara isika fa tsy hifandingana, ka aoka izay ratsy nataon’ny teo aloha tsy hotohizantsika aty afara ihany koa, hoy io depiote io. Misy tsy fitoviam-pijery aloha izany ao Tsimbazaza izay mafampana ihany koa satria hatramin’izao tsy tafatsangana ny Birao maharitra taorian’ny nanonganana ny birao teo aloha. Ny filoha ihany no voafidy hatramin’izao. Heverina fa tsy ho marin-toerana intsony ao Tsimbazaza manomboka eto fa mety hiovaova arakaraka ny zava-miseho ny fifandanjan-kery. Tena mbola ilaina sy mifanaraka amin’ny zava-misy ve ny Antenimiera amin’ny endriny ankehitriny sa mila ovaina ?
Toky R
Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena