airtel

Politique

18-juil-2025

Fanjakana Rajoelina

Mamaky ady amin-dRavatomanga ?

Sample post image

Nesorina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 16 jolay 2025 Ramatoa

18-juil-2025

Irma Razanadrakoto, izay tale misahana ireo orinasa lehibe eo anivon’ny Fitaleavan’ny hetra na DGE (Direction des Grandes Entreprises). Somary miteraka resabe sy fanontaniana manitikitika amin'ny lafiny toekarena sy ny politika io. "Misy hifandraisany amin'ny TVA zana-bola ve, izay efa nihilana ny herinandro tsy mety mivoaka ny « circulaire », nefa ny banky efa maka sy manao "régularisation" mihitsy aza, nefa lazaina fa tsy rétroactif, na hoe tsy azo alaina amin'ny zana-bola tany aloha », hoy i Patrick Raharimanana. Ny depiote Roland Ratsiraka nisaotra manokana ny Filoha Andry Rajoelina tamin'ny fanalàna ity olona ambony ity. "Nandritra ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny Minisitry ny Toekarena no nilazana fa io ramatoa io no anisan’ny antony nahatonga ny “redressement fiscal” maro be, izay ahiahiana ho misy tambazotra kolikoly", hoy i Roland Ratsiraka. Mbola betsaka ny ezaka tokony hatao amin’ny fanadiovana ny rafitra sy ny fanapahan-kevitra hentitra, mba hampihenana ny fahantrana sy hanarenana ny toekarena, hoy io depiote io. Amin'ny lafiny politika mety misy ifandraisany amin'ny toekarena, voalaza fa olona akaiky ny mpandraharaha matanjaka Atoa Mamy Ravatomanga ity tompon'andraikitra ambony nesorina ity, ary voalaza fa misy rohim-pihavanana akaiky mihitsy avy amin’ny ankizy. Misy heviny sy dikany ara-politika eo amin'ny fifandraisan'ny Fanjakana Rajoelina sy ny mpandraharaha matanjaka Mamy Ravatomanga ve? hoy ny mpanara-baovao. Ity farany izay voasokajy ho isan'ny herin'ny Fanjakana Rajoelina. Fanesorana toy ny fanesorana rehetra sa mety misy hidirana fifandirana politika sy tombotsoa ara-toekarena ity nanalana ny olona akaiky azy nitazona toerana stratejika ity? Tsy finiavana hiresaka mikasika ireo olona ireo sanatria fa betsaka ny zavatra mifamahofaho sy manitikitika ny mpanara-baovao amin'ny toe-javatra avo lenta toy izao. Nandritra ny filankevitry ny Minisitra tany Fianarantsoa ohatra dia nilaza i Andry Rajoelina fa nisy olana ny fiaramanidina ka nitady hafa. Tsy afaka nampiasa ny fiaramanidin'io mpandraharaha io izay mpitondra azy matetika ve i Andry Rajoelina? Teo aloha, matetika tazana amin'ireny hetsika samihafa ataon'i Andry Rajoelina ireny Atoa Mamy Ravatomanga saingy tsikaritra ho tsy dia tazana tato ho ato. Misy ihany koa ny endrika fanehoana tanjaka sy hery na « démonstration des forces » ataony, ka "Que les jeux commencent !" na « Manomboka ny lalao » tokoa ve ? Asa misy sary sy endrika fifanolanana toy ny nitranga teo amin'ny Filoha Amerikanina Donald Trump sy ny mpandraharaha malaza Elon Musk ihany koa ve ny azy mirahalahy ireto eto Madagasikara ? Inona no mety ho akony raha izay tokoa ? Sa fifandrifian-javatra ihany?
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-mai-2026

ny vahoaka na ireto depiote forongony!"

Card image cap
29-mai-2026

fa tsy fanoloana olona fotsiny

Card image cap
29-mai-2026

Ho kandida amin'ny fifidianana izay ho

Card image cap
28-mai-2026

Mitety ireo Fokontany 192 maka ny hevitry ny vahoaka

Card image cap