maintsy nihazo an’i Maroc hiatrika ny fampivondronana ny Barea A any Maroc, hiatrika ny lalao fifanintsanan’ny « Mondial 2026 » hifanandrinana amin’i Centrafrique sy Tchad ny 4 sy 8 septambra, dia nambara omaly fa hisy fankasitrahana goavana ho an'ny Barea CHAN. Efa nanainga izy 7 miralahy. "Sambany tafakatra tamin’ny famaranana.Hatramin’izay, tsy hita tabilao ny baolina kitra Malagasy, ka mendri-piderana ny nataon’ny mpilalao", hoy ny Filoha ankehitriny. Nambaran’i Andry Rajoelina fa hotolorana trano villa tsirairay avy ny mpilalao 29 sy ny mpanazatra, ary mbola hisy ny fanohanana ny ekipam-pirenena. Eny amin’ny toerana mivoaka amin’ny Autoroute no voalaza fa hanaovana izany, hatsangana manomboka amin’ny herinandro izany, ka hatolotra an-dry zareo 30 miaraka amin’ny mpanazatra. Andrasana izany ny fahatanterahany. Fanao ny tahaka izao, ary irariana mba ho voajery avokoa ireo mamiratra sy mitondra avo ny voninahi-pirenena fa tsy amin’ny baolina kitra ihany. Irariana ihany koa anefa ny tsy hisian’ny fijapiana ara-politika ny fanatanjahantena.
Toky R
nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny Birao maharitry