airtel

Politique

21-nov-2023

Fanohanan’ny depiote Todisoa ny tanora

Mpianatra 89 nahavita fiofanana teny Anglisy

Sample post image

Mpianatra teny anglisy miisa 89 miandahy no navoakan’ny Fikambanana Ny Andraina ny sabotsy lasa teo teny Ambatolampy Antehiroka.

21-nov-2023

Nahavita fiofanana nandritra ny 9 volana izy ireo, ka notolorana mari-piofanana. Antony nandrisika azy ireo hanaraka io fiofanana io ny fahatsapana fa ilaina amin’ny sehatra rehetra na amin’ny fanohizana fianarana na ny tontolon’ny asa ny teny Anglisy. Ny fahatsapana fa tena ilaina ny teny vahiny, kanefa maro no tsy manana fahafahana hanaraka fiofanana izany no nandrisika Ny Fikambanana Ny Andraina nanofana maimaimpoana ho an’ireo tanora. Ray mpiahy azy ireo ny depiote Todisoa Andriamampandry, izay naneho fa maimaimpoana tanteraka ny fampiofanana sy « polycops » nampiasaina tamin’izany, ary mpampianatra matihanina no nizara ny fahaiza-manao tamin’ireo mpiofana tsy nanavahana saranga. « Tsy nanavahana antokom-pinoana na antokom-pivavahana na loko politika fa rehefa zanak’Ambohimanarina na iza na iza dia nomena izay fahafahana miofana amin’ny teny Anglisy izay satria fantantsika fa tena manana ny lanjany eran’izao tontolo izao ny teny Anglisy, ary na ho aiza ianao na ho aiza, raha hiditra amin’ny sehatry ny hiasa dia ilaina. Raha hiofana amin’ireny Ivon-toerana sy sekoly maro samihafa ireny anefa dia volabe, tsy zakan’ny Raiamandreny ety amin’ny Faritra iadidiako, ka izay no nahatonga anay sy ny fikambanana Ny Andraina nanome anjara biriky nanofanana maimaimpoana ny teny Anglisy, ary efa nanomboka iray volana eo ihany koa ny fanofanana momba ny teny Alema izay maimaimpoana hatrany ho an’ny zanak’Ambohimanarina », hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. Tanjona ny hahaizan’ny zanak’Ambohimanarina, tsy hohabadoin’ny olona, fa mba ho mpitarika na eto an-toerana na any ivelany mba ho reharehan’ny taranaka Malagasy, hoy io olom-boafidy io namarana ny teniny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap