Fikaonandoham-pirenena, fakan-kevitra momba ny fifidianana, dinika ara-politika. Nisy ny tafatafa nifanaovan'ny Tia Tanindrazana tamin'Atoa Fetison Rakoto Andrianirina, filoha nasionalin'ny antoko Roso ho amin'ny Demokrasia Sosialy (RDS).
Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana ny fahitanao amin'ny ankapobeny ny Dinika Fikaonandoham-pirenena karakarain'ny FFKM?
Fetison Rakoto Andrianirina : Heveriko fa dingana tena ilaina amin'ny fanarenana sy fanavaozana an'i Madagasikara izao Dinika Fikaonandoham-pirenena izao. Ny tena maha-zava-dehibe azy dia satria manome sehatra hahafahan'ny Malagasy rehetra maneho ny heviny izy, manomboka eny ifotony ka hatrany amin'ny sehatra nasionaly. Raha jerena ireo lohahevitra 12 napetraky ny FFKM dia hita fa tsy ny politika sy ny fifidianana ihany no resahina. Voakasika ao ny fitantanan-draharaha, ny zo fototra, ny toe-karena sy ny fampandrosoana maharitra, ny fitsarana sy ny fanjakana tan-dalàna, ny firaisankina, ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy, ny tontolo iainana, ny fiandrianam-pirenena, ny fitsinjaram-pahefana, ny tanora ary ny fanavaozana ny fitantanana sy ny fitantanam-bola. Midika izany fa tsy tokony ho fanovana olona eo amin'ny fitondrana fotsiny no tanjona amin’izao Fanavaozana izao, fa fanovana ireo fomba sy rafitra izay miteraka hatrany ny olana sy ny krizy miverimberina.
TT : Inona no tokony ho vokatra andrasana amin'izany Dinika izany?
Fetison : Zava-dehibe ny fifampiresahana, saingy tsy tokony hifarana amin'ny fifampiresahana fotsiny. Fotoana izao hahafahana mamantatra mazava ny olana fototra iainan'ny firenena, ny vahaolana iaraha-manaiky ary indrindra ny zavatra tokony hatao aorian'izany. Raha tena Fikaonandoham-pirenena izy, dia tokony ho hitan'ny Malagasy rehetra ao ny heviny sy ny hetahetany. Ary rehefa vita izany, dia mizotra any amin’ny marimaritra iraisana nasionaly izay azo adika ho lalàna, ho politika ary ho asa azo tanterahina, araky ny voalazan’ny lohahevitra faha-11 sy faha-12 naroson’ny FFKM. Tsy ampy ny hoe « nifanaraka isika ». Mila fantarina koa hoe inona no hatao, iza no hanao azy ary rahoviana no hatao.
TT : Ary ahoana kosa ny fahitanao ny fakan-kevitra ara-politika sy momba ny fifidianana nataon'ny Filohan'ny Fanavaozana niaraka tamin'ireo antoko politika sy ny firaisamonimpirenena ?
Fetison : Tsara ny mihaino ireo antoko politika, ny firaisamponim-pirenena ary ireo mpisehatra samihafa. Ilaina izany satria tsy afaka manavao firenena isika raha tsy mihaino ny feon'ny ampahany samihafa amin'ny fiarahamonina. Saingy tokony ho fantatra mazava ihany koa ny toerana misy izany fakan-kevitra izany ao anatin'ny dingana manontolo. Manamora ny fifampiresahana ny fakan-kevitra ataon'ny mpitondra, saingy tsy tokony hisolo ny Dinika Fikaonandoham-pirenena izay natao hampandraisana anjara malalaka kokoa ny Malagasy. Samy manana ny anjara toerany ireo dingana ireo ary tokony hifameno fa tsy hifaninana.
TT : Midika ve izany fa tokony hampisaraka ny dinika ara-politika sy ny Fikaonandoham-pirenena isika?
Fetison : Tsia. Amiko dia tsy tokony hampifanohitra azy ireo mihitsy isika. Ny fifanakalozan-kevitra ara-politika izay tokony efa natao hatreny am-boalohany, dia ilaina hamahana ny disadisa ara-politika sy hamerenana ny fifampitokisana. Ny fampihavanana kosa dia ilaina mba hanarenana ny fifandraisana sy ny fihavanana, hanafoanana ny fiatsarambelatsihy eo amin’ny samy Malagasy. Ny Fikaonandoham-pirenena no sehatra hahafahan'ny Malagasy miresaka momba ireo fanovana lalina ilain'ny firenena. Ary ny fifidianana azo itokisana, mangarahara sy eken'ny rehetra no hahafahan'ny vahoaka maneho amin'ny fomba demokratika ny safidiny. Noho izany dia tsy dingana mifaninana ireo, fa dingana mifameno ao anatin'ny fizotry ny fanavaozana iray ihany.
TT : Misy olona anefa milaza hoe fampihavanana dia tokony hisy famelan-keloka. Ahoana ny hevitrao, indrindra fa maro ny fandikan-dalàna sy fanararaotam-pahefana hita na taloha na ankehitriny?
Fetison : Tsy midika velively ny fampihavanana ho famafana ny lasa na fanafoanana ny fahadisoana na ny fanaovana ny tsy nety noho ny antony politika. Tsy azo afangaro ny fampihavanana sy ny fanaovana ny tsy nety. Raha misy fandikan-dalàna na fanararaotam-pahefana na halatra, na nitranga taloha izany na ankehitriny, dia tokony ho fantarina ny marina, hahafahana mampihatra amin'ny rehetra ny lalàna. Izany no antony ilazako fa ny fampihavanana marina dia tsy manomboka amin'ny famelan-keloka, fa amin'ny fahamarinana sy ny rariny. Mila fantarina ny marina, mila hajaina ny rariny, ary mila averina amin'ny olona voakasika ny hasiny sy ny zony. Tsy tokony hisy koa anefa ny valifaty na ny fanenjehana politika. Mitondra antsika any amin’ny famelan-keloka izany, izay tsy midika hoe : manadino na mamafa ny zava-nitranga. Midika kosa izany fa manapa-kevitra isika tsy hampita hatrany amin'ny taranaka manaraka ny fankahalana sy ny fifandirana. Izany no fahitako ny fampihavanana : fahamarinana mamelona ny rariny izay miteraka ny famelan-keloka, hahatongavana any amin’ny Fihavanana. Tsy hoe : famelan-keloka aloha, avy eo fanadinoana, dia fihavanana. Raha izany no atao, dia mety mbola hiverina ihany ireo ratra taloha any aoriana.
TT : Tsy mampidi-doza ve izany ka lasa fifanenjehana politika? Fetison : Izany indrindra no tokony hialantsika. Tsy anjaran'ny mpanao politika ny manameloka olona mialoha, na manao fitsarana noho ny hevitra politika. Raha misy fandikan-dalàna dia tokony hisy ny rafitra ara-pitsarana mahefa sy tsy mitanila handinika ny zava-misy sy hametraka ny andraikitra araka ny lalàna. Fa anjaran’ny mpanao politika kosa ny miaro ny foto-kevitra hoe : tsy misy olona ambonin'ny lalàna. Na iza na iza, na teo amin'ny fitondrana taloha, na eo amin'ny fitondrana ankehitriny, dia tokony hitovy eo anatrehan'ny lalàna. Izany no tena Fitondrana tan-dalàna.
TT : Ary ahoana ny amin'ny fifidianana? Tsy tokony ho laharam-pahamehana ve izany? Fetison : Mazava ho azy fa ilaina ny fifidianana. Fa ny fanontaniana lehibe dia hoe : fifidianana manao ahoana? Tsy ampy ny hoe : misy daty sy fandatsaham-bato. Mila fifidianana azo itokisana, mangarahara, mahaleo tena, mitovy lenta amin'ny rehetra ary eken'ny ankamaroan'ny Malagasy. Izany no mahatonga ahy hilaza fa ny Fitondrana dia tokony hiantoka ny tontolo sy ny fepetra hahafahan'ny dingana rehetra mandeha tsara, fa ireo rafitra mahefa amin'ny fifidianana sy ny dinika isan-tsokajiny kosa tokony hanana fahaleovantena sy fahatokisana ampy amin'ny fitarihana ny dingana. Satria raha mbola misy fisalasalana momba ny fahamarinan'ny fifidianana, dia mety hiteraka krizy vaovao indray izany.
TT : Inona àry no tokony ho tanjona farany amin'izao Fanavaozana izao?
Fetison : Amiko dia tsy izay hitondra aorian'ny Fanavaozana no fanontaniana voalohany fa ny hoe « ahoana no hanorenantsika firenena izay hahafahan'ny Malagasy rehetra matoky ny lalàna, matoky ny rafitra ary matoky ny hoaviny? »Tsy an'ny Fitondrana iray, na ho an'ny antoko politika iray, na ho an'ny vondrona iray ny Fanavaozana. An'ny Malagasy izy. Raha tena tiantsika ny hiala amin'ireo krizy miverimberina, dia mila manorina fitsipika sy rafitra izay hajain'ny rehetra isika, na iza na iza eo amin'ny fitondrana. Ary izany no antony maha zava-dehibe izao fotoana izao, izay tsy tokony hatao kitoatoa.
Nangonin'i Jean D.
Fetison Rakoto Andrianirina, filoha nasionalin'ny antoko RDS