airtel

Politique

07-janv-2025

Fiainam-pirenena

Na manambatra hery na miara-maty eto !

Sample post image

Mihasarotra ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ! Sarotra ny hino sy hanantena fa

07-janv-2025

hahavita fahagagana ny Fitondrana ankehitriny izay efa tena mihevi-tena ho tsy azo hozongozonina sy tsy misy arofanina intsony. Manasokajy ny mpanohitra eto amin’ny Firenena ho malemy sy azo fehezina ka tsy misy tahotra ny hihozongozona ary mieritreritra fa marin-toerana hatrany na inona na inona tsy fahombiazana misy. Tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny Firenena, tsy misy sori-dàlana mazava hitondrana azy,… Tsy misy mpitondra vonona hanitsy ny tsy mety eto fa tena mahatoky tena fatratra satria eo an-tanany ny fahefana, eo an-tanany ny vola, eo an-tanany ny tafika, feheziny ireo rafitra samihafa misy eto amin’ny Firenena, ataony be fandraoka ny toerana amin’ireo andrim-panjakana sy antanan-tohatra ara-pahefana samihafa. Fantatra ny niaingan’izany Fitondrana Rajoelina izany, fa tamin’ny basy aman-tafondro no nahatongavany teo, tamin-kery no nanombohany naka fahefana. Tsy finiavana hiantso sy hivoy korontana, fa betsaka ireo mpandinika raharaham-pirenena no maneho fa endrika tahaka izany vao mahafaka azy eo, raha tsy misy ny fahatongavan-tsaina faobe toy ny amin’ny fifidianana, ka hanatsimbadika ny rasa amin’ny fifidianana andraisan’ny maro an’isa anjara. Samy miara-miaiky ny rehetra ankehitriny, fa vizana sy tafalentika tanteraka anaty fahantrana ny vahoaka, saingy minia mikipy sy miezaka manamarin-tena ny fitondrana. Tsy misy sori-dàlana hivoahana amin’ny olana sy krizy, fa toa vao mainka midingin-drambo mandranitra sy milalao ny fahantram-bahoaka. Mazava izany, fa tsy misy antenaina firy amin’ny fitondrana ankehitriny, fa dia hihasarotra hatrany ny fiainan’ny Malagasy. Tsy manan-tsafidy ny rehetra, fa na manambatra hery hahafahana manova sy mamadika pejy na miara-maty. Fotoana tena mila hamondronan’ny herivelona samihafa eto amin’ny Firenena izao, hiarahana mijery sy tena mikatsaka vahaolana satria tena tafalentika anaty fahantrana tanteraka ny Malagasy. Mila ampandeferina ny kajikajy sy hambo-po politika fa tena mila fampitoviana fijery anatin’ny fahintsiana hikaroham-bahaolana hivoahana ao anatin’ny krizy.
Toky R

 

 

 

 

 

 

 


 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap