airtel

Politique

20-janv-2026

Fifanarahana amin’ny firenen-kafa

mety hampidi-doza

Sample post image

Nampitandrina mafy ny vaomieran’ny Eveka « justice et paix »

20-janv-2026

Nandritra ny fihaonam-be isan-taona nataon’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara na ny « Justice et Paix », nivoaka ny hafatr’izy ireo hentitra sy feno fanantenana kanefa mampitandrina ho an’ny firenena izay miatrika krizy ara-politika sy ara-tsosialy hatrany. Nampahatsiahy sy nanamarika mazava fa ny hetsika nataon’ny tanora tamin’ny volana septambra 2025 no nanaitra ny firenena sy nampiseho fa mbola mitaky fanovana lalina ny vahoaka, ary nitarika fiovam-pitondrana. Nampahatsiahivin’ny Eveka fa ny fanarenana fototra vaovao no antoka hanarenana ny fiainam-pirenena. Na dia nisy aza, hoy izy ireo, ny fanantenana voalohany dia mitombo ny ahiahy noho ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly ary ny fiakaran’ny vidim-piainana. Manamafy ny vaomiera fa tsy vita vetivety ny fanarenana fa mila ezaka iombonana sy fandraisana andraikitra. Ny lalana atolotra dia ny fifampidinihana iombonana manomboka eny amin’ny fokontany ka hatrany amin’ny sehatra nasionaly, ka ny tanjona dia ny fananganana Repoblika vaovao miorina amin’ny rariny, ny fihavanana ary ny fahamarinana. Nanentana ny mpitondra hanaja ny lalàna, hanohitra ny kolikoly ary hanamora ny fifampidinihana. Ny kristianina kosa dia asaina ho vavolombelona amin’ny finoana sy ny fiainana, ho sira sy fahazavana eo amin’ny fiarahamonina, ary ny Malagasy tsirairay dia entanina hijoro amin’ny fitiavana sy ny finiavana hiaro ny soatoavina malagasy, ny fihavanana, ny firaisankina, ny rariny sy ny fahamarinana, hoy ity hafatra ity. Nampitandrina ihany koa ny Vaomiera fa mety hampidi-doza ny fifanarahana sasany amin’ny firenen-kafa, indrindra raha manohintohina ny maha-izy azy sy ny fahaleovantenan’i Madagasikara, ka aleo kosa ny fifanarahana hanampy amin’ny fambolena sy ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo, hoy ny ampahany amin’ny fampitandremana. Nohamafisina fa izao no fotoana tsara, araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe “Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena” (2 Kor 6,2). Ny vahoaka dia asaina misafidy na ho tafita na ho rendrika, koa manentana ny rehetra hanorina fiarahamonina vaovao hanjakan’ny fiadanana sy ny fahamarinana, ary hanandratra vavaka ho an’ny Nosy mba hahazoan’ny Malagasy rehetra fiadanana sy fanantenana vaovao, hoy ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap