Mafampana ny krizy ara-drafitra eo anatrehan’ny fifandonan-kevitra eo amin’ny HCC sy ny Fanjakana fanavaozana. Nitondra setriny omaly ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Ranesa Firiana manoloana ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo mikasika ny fanenjehana ara-pitsarana ireo mpikambana miisa efatra ao amin’ny HCC. Nilaza ny minisitra fa antony hanenjehana ireo mpikambana ny fandraisana sy fanekena ny fitorian’ny depiote Antoine Rajerison izay nambara fa nokasain’ireo mpitsara ireo ho azo raisina (recevable) kanefa tsy azo raisina (irrecevable) noho ny mpitory tsy mahafeno fepetra, ka nosokajiana ho fikotrehana fanakorontanana na fanonganam-panjakana mihitsy. Nanamafy kosa ny HCC fa mahaleo tena tanteraka ny asany araka ny andininy faha-108 amin’ny Lalàmpanorenana, izay milaza fa ny mpitsara dia tsy azo tohintohinina amin’ny fanatanterahana ny andraikiny. Notsindrian’ny HCC fa tsy misy fanelingelenana na tsindry avy any ivelany amin’ny fivoriany sy ny fanapahan-kevitra, izay atao amin’ny tsiambaratelo tanteraka. Nampahatsiahy ihany koa ny andininy faha-40 amin’ny Lalàmpanorenana, izay mamaritra fa andrim-panjakana mahaleotena ny Fitsarana Avo ary tokony hajaina amin’ny fisarahan-pahefana. Nosokajian’ny HCC ho fanitsakitsahana ny fahaleovantenany sy fandikana ny Lalàmpanorenana ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Fitsarana. Notsiahivina ihany koa ny andininy faha-133 sy 134 izay manome fahefana tanteraka amin’ny raharaha ara-pitsarana ny Fitsarana Avo, ka tsy azo anenjehana amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny, afa-tsy amin’ny heloka bevava na heloka tsotra tsy mifandray amin’ny adihevitra mikasika mikasika fandinihana raharaha namoahany didy. Raha tsiahivina ny tantara, tao anatin’ny fanambarana nataon’ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael sy ireo mpanolotsaina avo ny 14 oktobra 2026 no nanambara ny faharavan’ny Repoblika faha-4, ka nilazana fa rava ny HCC, HCJ, CENI, HCDED… raha nambara fa voatazona ny antenimierampirenena. Nisy ny fiovana ka namasinin’ny HCC ny Fitondrana fanavaozana, nanao fianianana teo anatrehan’ny HCC ny Filoham-panjakana ny 17 oktobra 2025, ka nitazonana sy nanajana io rafitra io amin’ny maha « pouvoir régulateur » azy, saingy io misy safotofoto io ankehitriny. Ny 22 desambra 2025, nisy ny fanovana ireo mpikamban’ny HCC miisa 3 notendren’ny Filoha teo aloha, ny faramparan’ny volana mey teo, nikasa hanolo ireo mpikambana solontenany roa ny antenimierampirenena saingy nahemotra amin’ny fotoana manaraka. Nisy ny fitoriana nataon’ny depiote Rajerison Antoine ny Fanjakana fanavaozana tarihin’ny Kolonely Randrianirina Michael 13 mey 2026 teo, izay nolazainy fa mandika lalàna ka tokony hamindrana ny fahefana amin’ny sivily, ka teo no isan’ny kihon-dàlana niteraka ny fifandirana. Iny nolazain’ny Minisitry ny fitsarana afak’omaly iny, fa nikasa handray sy hanaiky fitoriana tsy azo raisina ny antsasany tamin’ny mpikamban’ny HCC. 4 ireo anarana tena nivoaka fa nanaiky, dia solontena 2 avy, avy amin’ny Antenimieram-pirenena sy Antenimierandoholona. Fitsipahana ho tsy azo raisina sy tsy mitombina ny didy navoakan’ny HCC, izany hoe niandany taty amin’ny fandavana ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa, ka nametraka ny isa ho 4 nandà ary 5 nanaiky satria 9 ny mpikambana.
TAIZA NY HCC HATRAMIN’IZAY ?
Somary manitikitika ary isan’ny tsongolohan’ny mpanara-baovao ankehitriny eo anatrehan’ity resaka fahaleovantenan’ny HCC sy ny resaka fisaraham-pahefana ny hoe : tena niady sy nitandro izany ve io rafitra io hatramin’izay indrindra tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina ? Tena nahasahy nijoro sy nandray fanapahan-kevitra mahitsy teo anatrehan’ny heverina fa fandikan-dalàna toy ny resaka fahaverezan’ny zom-pirenen’i Andry Rajoelina kanefa nekena ho kandida ara-dalàna ? Dia tena tsy nahay sy tsy nahafehy ny lalàna ve ireo mpahay lalàna maro nandrafitra ny fitoriana tamin’ireo fandikan-dalàna maro tamin’ireo fifidianana indrindra ny fifidianana filoham-pirenena farany ka nametrahana filoha tsy tena lanim-bahoaka izay nanamafy ny krizy niafara tamin’ny fipoahana ny septambra 2025 ? Asa hanao ahoana sary ara-politika hitranga eo anatrehan’io fifanenjanana eo amin’ny HCC sy ny fahefana misy io ? Hosoloina tsotra toy ny natao tamin’ireo notendren-dRajoelina ireo mpikambana 4 ao amin’ny dia milamina ? Hanao ahoana ny fihetsiky ny sehatra iraisam-pirenena indrindra fa mandeha ny resaka fa miantso vonjy amin’izy ireo ireo mpikamban’ny HCC hanaovana fanenjehana ara-pitsarana ?
Toky R
Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana
Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »