airtel

Politique

17-déc-2024

Fifidianana feno hosoka…

Ho tonga hatraiza ny tsy fanekena ?

Sample post image

Eo am-piandrasana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny rehetra izay efa hita sy fantampatatra

17-déc-2024

amin’ny ankampobeny. Betsaka ireo lesoka sy hosoka, hala-bato, tranga mampiahiahy,… Misy ireo antoko izay na tsy lany aza dia manao ireo dingana samihafa amin’ny fitondrana porofo mikasika ny ahiahy samihafa sy hitondra ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana, ka anisan’io ny Antoko Tia Tanindrazana izay mipetraka ho hery fahatelo aorian’ny IRMAR sy ny TIM raha ny vokatra vonjimaika tao anatin’ny fifidianana tena feno ahiahy. Efa samy nisioka fandresena kosa ny IRMAR sy ny TIM ka ireto farany aza nandeha ny ritsoka sy ny serasera fa hijoro hiaro ny safidim-bahoaka saingy mangingina hatreto. Miparitaka mihitsy aza ny serasera fa mandresy 42,31% ny kandida Tojo Ravalomanana. Nilaza moa ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro omaly tamin’ny fahitalavitra iray, fa niray tsikombakomba ny tompon’andraikitra niainga avy tamin’ny fokontany sy ny rantsa-mangaikan’ny CENI. Tsy fifidianana nanaraka ny fenitra araka ny tokony ho izy, nampiasana amboletra rehetra nampandresena ny kandidam-panjakana, nisy tsikombakomba maro niainga tamin’ny sefom-pokontany, mpikamban’ny birao fandatsaham-bato, ny fampiasana ordonnance, nampiasana ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola ho an’ny kandidam-panjakana,… ka tokony hampihintsana ny kandidam-panjakana raha ny nambarany. Nilaza fa raha mivadika ny vokatra dia hanao fampitahana na « confrontation ». Hanao ahoana ary izany ny tohiny raha ho voatsipaka hatrany? Hahavita hanatsimbadika ny rasa eo anatrehan’ny vokatra navoakan’ny CENI mampandresy ny IRMAR ? Hanaiky resy ?
HANAO INONA NY FANOHERANA ? MANAIKY NY ZAVA-MISY VE NY OLOM-PIRENENA MATOA TSY NANDEHA NIFIDY ?
Mandeha ny adihevitra politika taorian’ny fifidianana, ka isan’ny naneho ny Filoha mpiara-mitantana ny Vondrona Firaisankina sady Filoha lefitra mpanohitra eo anivon’ny Antenimierampirenena Atoa Siteny Randrianasoloniaiko, fa manohitra tanteraka ny zotram-pifidianana kaominaly ary miantso ny fanoherana rehetra ho tonga saina sy hanambatra ny hery. Tsy mora, hoy izy, ny manambatra ny "Leader politique" saingy tokony hijoro izy ireo. Andaniny, naneho ny depiote Fidèle Razarapiera tao amin’ny Miara-manonja fa mafy noho ny zavatra niainana tamin’ny 2009 sy 2018 ny zavatra iainantsika amin’izao fotoana izao saingy mipetraka ny vahoaka, manaiky. Ny tsotra indrindra no angatahana amintsika dia ny mandeha mifidy, ka tsy tonga aza ny olona, ka hiteny isika hoe tsy manaiky an’io dia ahoana ? Sarotra ho antsika ny hahay mandà raha ny tonga nifidy aza tsy vitantsika. Ny olona rehetra anefa no mila mahay miara-mandà vao tafavoaka isika. Mahita izany isika hoe mety ve izao, matoa isika tsy mandà. Manaiky matoa tsy miteny, hoy io depiote io. Nambarany kosa fa hivory hanao paikady hanoherana izao zavatra rehetra tsy mety izao ve dia i Siteny Randrianasoloniaiko no hitarika eny aloha tsy tonga dia fantatry ny ery am-pita daholo ny zavatra nivoriana, raha ny nambarany. Tsy mety mihitsy, hoy izy, ny hoe i Siteny nandrava ny Firaisankina voalohany indray, rehefa avy nitory ny Firaisankina mitovy aminy no hilaza androany fa tokony hanambatra hery ny fanoherana. Manomboka misy mamoha ihany koa ny tamin’ny 2023 satria betsaka no mitsikera fa noho ity kandida tamin’izany ity nisafidy ny naningana nisintaka tao amin’ny C11 ka nandeha nanao propagandy no nametraka ho ara-dalàna ny fifidianana izay nisiana fanoherana noho ireo pitsopitsony maro tsy nilamina. Andrasana noho izany ny mety ho sary politika hiseho ato ho ato hoe : hanao ahoana ireo dingana samihafa avy amin’ny mpanohitra teo anatrehan’ny raharaham-pifidianana nanjakan’ny hosoka sy hala-bato samihafa.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap