airtel

Politique

14-janv-2025

Fifidianana teto Iarivo

Mangotraka ny fifampitoriana…

Sample post image

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

14-janv-2025

raharaha fifampitoriana samihafa. Miisa 8 ny fitoriana, ka iray avy amin’ny Antoko Tia Tanindrazana izay natambatra ho dosie lehibe mitaky ny fanintsanana na « disqualification » ho an’ny kandida Harilala Ramanantsoa. Nametraka fitoriana 2 dia ny fanintsanana ny kandida Harilala Ramanantsoa, ary ny hanafoanana tanteraka ny fifidianana noho ny tsy fahatomombanana sy tsy fanarahan-dalàna kosa ny kandida Ndriana Razanamasy. Fitoriana mitaky ny fanafoanana ny vaton’ny kandida Harilala Ramanantsoa kosa no isan’ny nataon’ny TIM izay nanolotra an’i Tojo Ravalomanana. Teboka goavana ny Ordonnance, manam-pahefana samihafa nampifidy kandida, miaramila nampifidiana, hosoka, tsy fanarahan-dalàna,… Betsaka ary nivandravandra sy fantatry ny rehetra ny fandikan-dalàna, hoy mpisolovava Hubert Raharison. Nangataka ny tsy hanaovana tsindry amin’ny fitsarana ny mpisolovava ny TIM izay naneho fa matoky ary niaraha-nahita ny zava-misy, fa tsy azo afenina. Nilaza ho nangataka ny fanintsanana na « disqualification » ho an’ny kandida laharana faha-7 ihany koa ny TIM, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Ity antoko ity, izay nilaza omaly fa zotram-pifidianana feno tsy fanarahan-dalàna ary Fifidianana feno hosoka sy hala-bato no nisy tamin’ny Kaominina maro manerana ny Nosy. Notsikafoniny hatrany ny resaka « ordonnances » izay nambarany fampidirina tamin’ny alalan’ny hosoka anaran’olona aman’alina. Nisy anefa ny tsy fahafahana nanao ny fampitahana na ny « confrontation », noho ny famoahan’ny CENI an-kamehana mialohan’ny fotoana ny voka-pifidianana vonjimaika. Teo anatrehan’ireo fandikan-dalàna sy hosoka ary fanamparam-pahefana maro samihafa ireo anefa dia tsy nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny CENI, izay rafitra mahaleotena napetraka hiantoka ny fahamarinan’ny Fifidianana sy ny fikarakarana ny vokatra, hoy ny ampahan’ny fanambarana. Fitoriana 4 no nataon’ny kandida Harilala Ramanantsoa ka anisan’io ny fitakiana fanafoanana ny vaton’ny kandida Tojo Ravalomanana tamin’ny Fokontany, Ankorondrano Andranomahery, Anosibe Ambohibarikely, Antsahabe, Ambatomaro. Tsy mahasika ny kandiday, tsy mitombina ary tsy misy porofo, hoy ny mpisolovava an’i Tojo Ravalomanana. Rahampitso 15 janoary moa no hamoaka ny didim-pitsarana ny TAF (Tribunal Administratif et Financier) mialohan’ny hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy. Inona ny sary mety hitranga ? Inona no ho tohiny ? Hanao ahoana ny hoavin'Antananarivo?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap