airtel

Politique

20-mars-2025

Fihaonamben’ny COI, fiaraha-miasa amin’i Lafrantsa

Tonga misava làlana ny Minisitra Thani Mohamed Soihili

Sample post image

Mitsidika eto Madagasikara eto Madagasikara manomboka anio 20 martsa hatramin’ny rahampitso

20-mars-2025

i Thani Mohamed Soihili Minisitra delege eo anivon’ny Minisiteran’ny ny Raharaham-bahiny sy Eoropa, misahana ny Frankôfônia sy ny Fiaraha-miasa Iraisam-pirenena, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Masoivoho Frantsay eto amintsika. Anio 20 martsa, dia handray anjara amin’ny fankalazana ofisialy ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia, hetsika karakarain’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia (OIF) sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy. Io lanonana io dia ho fotoana hanamafisana ny fifamatorana eo amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Frankôfônia ary hampiroboroboana ny fanamby noraisin’ireo Filoham-pirenena sy Governemanta nandritra ny « XIXème Sommet de la Francophonie », izay natao tany Villers Cotterêts tamin’ny volana oktobra lasa teo, hoy ny tatitra. Hisy ihany koa ny sonia fifanarahana amin’ny Minisitra Malagasy misahana ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, amin’ny fanomezana 5 tapitrisa euros ho fanohanana ny sehatry ny fahasalamana sy ny fiarovana ara-tsakafo, izay sehatra ifantohan’ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa. Ny 21 martsa, handray anjara amin’ny fihaonambe minisitera an’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI), izay hifantoka amin’ny lohahevitra fambolena, ho fanomanana ny Fihaonamben’ny Filoham-pirenena ao amin’ny COI izay hatao amin’ny 24 aprily ary hanasongadina ny lohahevitra “Fiarovana sy fahavitan-tena ara-tsakafo”. Hisy ihany koa fihaonana ifanaovany amin’ny Sekretera Jeneralin’ny COI Edgar Razafindravahy. Ity fitsidihana ity dia fotoana iray hanehoana ny fanolorantenan’i Frantsa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara, indrindra fa amin’ny 27 sy 28 martsa no hotanterahina any Paris ny Sommet "Nutrition pour la Croissance" (N4G), hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap